Vous êtes ici :

Samedi 27 Avril 2024

ombre

Mitondra faisana !

Nanaitra ny maro ny nandrenesana ilay andian-tafika naripaky ny dahalo tany Ankazoabo tamin’ity herinandro ity. Mampalahelo satria miaramila nanao ny asany ho fitandroana ny fahalemana sy fiarovana ny vahoaka sy ny fananany no lavo am-perin’asa. Izany no antsoina hoe namoy ny ainy ho an’ny tanindrazany. Izany ka tena miaramila satria na dia lavo aza izy ireo dia nampirongatra ny hambom-pon’ny hafa izany ary nanaitra ny sain’ny tompon’andriakitra ihany koa fa tena misy ny asan-dahalo ary tsy mitsitsy ireo olon-dratsy ireo.

Efa maro ny mpitandro filaminana nataon’ny dahalo nitondra faisana ary toy ny tsy misy hery afaka hifampitana amin’ireo malaso intsony eto amintsika. Na polisy na zandary, eny hatramin’ilay kapiteny malaza ho mpanao vy very  ny ainy hamongorana ny asan-dahalo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny aza no efa voan’ireo malaso. Malaza amin’ny fampiasana herin’ny maizina ireo mpangalatra omby nefa tsy mbola voaporofo mazava aloha hatreto ny tena fahombiazan’izany. Ny azo antoka dia efa manana paik’ady manokana entiny hifanandrina amin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Mahafantatra tsara ny toerana hitsoahany ihany koa ary mahafehy ny ady anaty akata ka izay no manahirana ny fanenjehana azy. Misy ihany koa ny antsoina hoe Jamà izay mpitandro filaminana sivily karamain’ny olona hiady amin’ny dahalo saingy tsy ampy isa izy ireny. Rehefa aravina ny zava-misy dia hita fa tsara fiomanana sy tsara rafitra kokoa ny fomba fiadin’ny dahalo ka izay no andresen’izy ireo ny mpitandro filaminana.

Tena mampitondra faisana ny vahoaka any ambanivohitra ity asan-dahalo ity ary tsy misy faritra na iray aza tsy misy azy. Efa karazan’ny mitovy lenta amin’ny mpioko mitam-piadiana sy mpiady anaty akata any ivelany izay tsy voafehin’ny fitondram-panjakana intsony izy ireo. Tsy misy adim-poko, tsy misy ady an-trano, ary tsymisy fanonganam-panjakana eto Madagasikara fa ny asan-jiolahy no tena mampitondra faisana ny vahoaka ary tena tsy voafehin’ny mpitandro filaminana mihitsy. Maro ihany izay paik’ady napetraka teto izay nefa toa vao mainka mirongatra ny tsy fandriampahalemana.

Mitaraina ho tsy ampy olona sy tsy ampy fitaovana ny mpitandro filaminana ary tena marina izany nefa ihany koa hita ihany fa tsy dia ampy tsara ny fanaparitahana azy ireny eny anivon’ny fiarahamonina. Toa zary mivangongo any anaty toby sy any anaty birao fotsiny ny maro amin’ireo miaramila sy polisy ary zandary fa tsy avoaka hanao ny asany hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary hampanjaka ny fahalemana. Inoana fa hisy fiantraikany amin’ny famerenana ny filaminana eto amintsika raha toa ka omena ny fitaovam-piadiana sahaza azy ny mpitandro filaminana rehetra tsy an-kanavaka ary alefa eny anivon’ny fiaraha-monina rehetra hanao ny asany.

Tsy hiady irery rahateo izy ireo amin’izay fa eo ny vahoaka hanome tanana sy hanampy azy ireo amin’ny asa iandraiketany. Raha ametrahana mpitandro filaminana iray mitam-basy fotsiny isak’ireo fokontany miisa 17.000 eto Madagasikara dia inoana fa ho sahy hijoro sy hiady hiaro ny tanànany ny fokonolona fa tsy hitazam-potsiny manoloana ny endrika tsy fandriampahalemana rehetra.

Efa miantra aman’aina ity hetraketraky ny jiolahy sy ny dahalo eto amintsika ity ka ilana ny fifanomezan-tanan’ny rehetra hamongorana azy tanteraka satria tsy hisy asa fampadrosoana izany eto raha izao no mitohy.

Raha ny tokony ho izy dia ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ary ireo mpikambana ao amin’ny governemanta mihitsy no tompon’andraikitra voalohany mila midina ifotony manentana ny vahoaka sy manatitra ireo mpitandro filaminana hiady amin’ny olon-dratsy. Rehefa hanao propagandy sy hidoka tena mahavita mitsidika ny vahoaka fa rehafa hankahery sy hitondra vahaolana samy mody fanina any anaty birao fotsiny ireo tompon’andraiki-panjakana.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre