Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Vohipeno – 15 lahy nanafika magazay, mpiambina roa maty

Nandriaka ny ra tao an-tampon-tanànan’i Vohipeno ny harivan’ny alarobia teo. Jiolahy miisa 15 mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika sy zava-maranitra no fantatra fa tonga nanafika mpandraharaha ara-toekarena iray tao an-toerana. Ity farany izay manana magazay iray lehibe mivarotra entana madinika sy entana maro samihafa. Tsy tao an-toerana ilay mpandraharaha tamin’ny fotoana nidiran’ireo jiolahy tao amin’ny magazay fa ireo mpiambina ny tanàna maro be no tao.

Mpiambina miisa roa noho izany no namoy ny ainy tamin’ny fandalovan’ireo tsy mataho-tody tao raha toa naratra mafy ny efatra ambiny. Ireto farany izay tsy nety nilaza ny toerana misy ny sefon’izy ireo rehefa nanontanian’ireo olon-dratsy. Nirefodrefotra noho izany ny poa-basy ka namoy ny ainy avy hatrany ireo roa ireo rehefa nahazo ny faritra mahafaty ny bala. Ny ambiny kosa naratra mafy. Araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao dia voatifitra teo amin’ny tongotra ny sasany tamin’ireo mpiambina ary ny sasany kosa voakapa famaky.

Tsy nihaona tamin’ilay mpandraharaha mihitsy moa ireo jiolahy. Tezitra noho izany izy ireo dia noraofiny ireo avokoa ireo vola rehetra mahatratra an-tapitrisany tao amin’ilay magazay izay tsy fantatra ny isany sy ny entana izay zakan’izy ireo. Misokatra ny fanadihadiana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre