Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

SAFIDY NY FIAINANA

Isan’andro, miatrika ny fiainana, dia manana safidy atao ary tsy maintsy miaina ny vokatry ny safidiny ny olona. Raha vao mihiratra ny maso amin’ny maraina dia manomboka ny fiatrehana lafin-javatra isan-karazany izay ialana fanapahan-kevitra hatrany. Ireo no mamaritra ny andro iray manontolo.

Ny fanilihana andraikitra

Betsaka ny olona no mieritreritra fa ny fihetsika manahirana asehon’ny  ny hafa aminy no mahatonga azy hanao toy izao na toy izao. Ohatra amin’izany : Narian’ny rainy niteraka azy izy fony fahakeliny ka tonga nijaly, ary tsy maintsy hamaly faty ny rainy – Voadona ny fiarany ka nifampitolona niady tamin’lay olona nandona teny an-dalana izy – Tsy afa-po amin’ny vadiny ao an-trano izy ka mijanganjanga any ivelany.

Tsy tompon’andraikitra amin’ny safidy hitondranao ny fainanao manokana ny olona ety ivelany. Raha misy olona iray misafidy hitondra tena ratsy dia tsy marina ny hoe nohon’ny zavatra nataon’ny hafa no mahatonga azy hanao izany. Fanilihana andraikitra sady fanamarinan-tena ny toy izany. Avy amin’ny safidy ny fanaovana ny ratsy. Na inona na inona otaon’ny olona amiko dia afaka misafidy hanao tsara na hanao ratsy aho. Ny olona manilika andraikitra dia tsy manana fahamatorana fa manao toetran-jaza. Manana olana ao amin’ny tenany izany olona izany.

Tompon’ny safidiny ny olona tsirairay

Aza avela hisy olona hafa haka ny safidinao eo amin’ny teranao. Raha ny olona mantsy no avelanao hisafidy ho anao dia hanameloka io olona io hianao raha toa ka tsy mahomby izany safidy izany. Endrika hakanosana sy fanararaotana ny hafa koa izany. Raha sahiran-tsaina eo anoloan’ny toe-javatra iray dia afaka maka toro-hevitra sy fanampiana. Tokony ho resy lahatra ny amin’ny safidy hataony ny olona manapa-kevitra rehetra ary vonona ho tompon’andraikitry ny safidiny. Izany no olon-dehibe.

Marihina fa izay safidy ataon’ny olona no iainany. Raha izany ary dia tokony hametram-panontaniana isika hoe manao ahoana ny fiainako, mahomby ve, afa-po aho ve, misy fahatoniana ny fitsaharana mahafinaritra ve? Ny valiny no maneho fa tsara na ratsy ny safidinao. Raha nahatsiaro tsy fahombiazana dia tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny fanamelohan-tena na ny fitseran-tena fa afaka manao dingana vaovao manatsara ny safidinao. Ny fiainana mantsy tsy mijanona hatreo fa mitohy foana ka afaka hitombo hatrany ho olona manana fahamatorana isika.

Afaka misafidy ny tsara

Ilaina ny manabe ny taranaka hahay misafidy ny tsara mandrakariva eo amin’ny fiainany. Fampianarana azy hitombo famatorana sy ho voaro amin’ny ratsy rehetra any ivelan’ny tokantrano izany.

Isika olon-dehibe ihany koa dia afaka hihamatotra raha manaiky hisafidy ny tsara mandrakariva.

Ny safidy tsara dia vokatry ny fisainana tsara. Betsaka ny mpampianatra sy ny fironana ary ny fanerena antsika hanana fomba fijery ny fiainana sy ny manodidina antsika. Ao ny fanatontoloana, ny kolo-tsaina, ny haino aman-jery, ny fanabeazana ao an-tokantrano, ny fiarahaha-monina, ny fianarana norantovina, ny fahantrana sns …Na inona na inona dia mahatsiaro ho teren’ireo zavatra marobe ireo isika isan’andro. Ao anatin’ny fihetseham-po no iainana izany karazana fanerena izany ka hisian’ny fanaintainana isan-karazany, ary lehibe amin’izany ny fiferotan’aina, ny alahelo, ny henatra, ny tahotra. Ireo fihetseham-po ireo mazana no manosika antsika hisafidy ny fihetsika hatao na ny fanapahan-kevitra amin’ny zavatra hatao.

 

Ny fihetseha-po sy ny safidy

Ny fihetseham-po mavesatra dia natao ho fanairana fa misy zavatra manahirana ao, ary manosika antsika hientana hanao dingana. Tsy maninona ny miaina azy,

Tsy tokony hobaikon’ny fihetseham-po anefa amin’ny fanapahan-kevitra raisina fa tokony hanana fahatoniana amin’ny fo sy saina. Ao anatin’izany no anaovana fihetsika mahomby sy mampilamina.

Tsy voatery koa anefa hikorontana mandrakariva ny fihetseham-po ka hahatsiaro misamboaravoara sy mavesara foana isaky ny misy zavatra miseho eo amin’ny fiainana. Izany no ilana ny fanavaozana ny toe-tsaina sy ny fomba fijery ho amin’ny tsara kokoa sy mahomby kokoa ary ny manorina. Io fomba fisainana tena ambony io no manampy hanaovana safidy tsara.

 

Mila ezaka ny fahatoniana

Marihina fa zava-dehibe tokony hotandrovina mandrakariva ny filaminan’ny ao anatintsika mba hiadana isika. Izany no ilana ny safidy tsara. Ny olona zatra misafidy ny tsara dia mampandroso ny tenany ary mampandroso ny hafa ihany koa.

 

Tsy azo mora foana ny fananana izany fahatoniana izany eo amin’ny fiainana fa misy ezaka tsy maintsy ataon’ny isambatan’olona. Ilaina ny fandraisana andraikitra ny amin’izay mahasoa ny tenantsika.

Ny ratram-po mahazo ny olona dia sakana lehibe tsy ahafahany mandray andraikitra ny amin’ny tenany. Mbola ny safidinao hanao dingana handray fanasitranana ihany anefa no manampy anao hahita fahombiazana.

Ny olona miaina fiankinan-doha dia mazana manana olana satria na dia fantany aza fa manimba azy ny safidy ataony dia tsy manan-kery hiala amin’izany izy. Manana adidy ihany koa ireny olona ireny ny hiankina feno amin’ilay Hery Lehibe afaka hanampy azy hananany hery mizotra ho amin’ny fanarenana ny fiainany.

 

Mifidiana ny fiainana

 

“Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana mba ho velona hianao sy ny taranakao.” Deotoronomia 30:19

 

Maro ny olona mitoetra ao anaty fahoriana sy korontana noho ny safidy ratsy nataony. Misy amin’ireny maniry ny hiala amin’izany nefa tsy vonona hanova ny safidiny, misy koa ireo izay tamana mitoetra ao anaty fahoriana ary tsy te hiala ao. Mandalo ary tsy maharitra izay fahafinaretana mety ho azon’ny olona amin’izao fiainana satria ao anaty fahalotoana sy faharatsiana.

Isika olombelona rehetra dia nohariana hanana fiainana satria Ilay namorona anstika dia Andriamanitra fitiavana. Tsy natao hitoetra ao anaty famoizam-po isika na dia taranaka mpanota aza. Nahoana no mijanona ho simba ao anaty fahafatesana kanefa misy fanantenana ho anao?

 

Afaka ny ho voavonjy hianao

Ao amin’ I Jesosy Kristy dia misy fiainan azo antoka.

Ny fahafatesan’I Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia mitondra ny fahotana sy ny tsy fahombiazana rehetra vokatr’izany eo amin’ny fiainan’ny olona ary mamonjy azy. Raha miaiky ny faharatsianao hianao sy manaiky fa tsy manan-kery hanova ny tenanao ka misafidy mandray ny famonjen’I Jesosy dia mandray famelan-keloka. Omen’Andriamanitra hery ho tonga zanaka malalany.

Ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra izay fanilo sy fanazavana ny lalam-painan’ny olom-baovao ao amin’I Jesosy, dia manova ny fomba fisainana feno fahantrana sy fahambaniana. Tonga toe-tsiana ankasitrahana sy misy voninahitra ary marina. Izay irery ihany no mitarika ny olona hanana safidy tsara ho amin’ny fiainana mitondra fiadanana.

Tsy hianao ihany anefa, indrindra ry raim-pianakaviana no hanana izany fiadanana izany fa hianao sy ny taranakao, araka izay voasoratra eo ambony.

Misy anjara fiainana sy fitahiana ho anao sy ny ankohonanao ao amin’I Jesosy. Nahoana no tsy hizotra amin’izany hianao fa hiandry. Mbola vonona handray anao ny Tompo raha manantona Azy hianao. Jesosy avy mba hanananao fiainana sady be dia be, ety an-tany  ka hatrany an-danitra izany.(Jaona 10:10)

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre