Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Lova lafo indrindra !

Ny fianarana no lova tsara indrindra hoy ny fomba fiteny fampirisihan’ny ray aman-dreny hampiana-janaka sy hampahazoto ny ankizy  amin’ny fianarana. Noheverina ho toy ny kapain-tsy hita fery mantsy hatramin’izay ny vola laniana amin’ny fampianaran-janaka ka tsy nahitana soritra firy tamin’ny teti-bolan’ny isan-tokantrano. Amin’izao fotoana izao anefa dia lasa fampiasam-bola goavana ny fampianaran-janaka nefa tsy azo antoka akory ny mety hisian’ny vokatra tsara azo avy amin’izany aty aoriana. An-tapitrisany maro ary mety efa nahavitana trano be ny vola lany amin’ny mpianatra iray mandra-pahazoany diplaoma eny amin’ny fampianarana ambony nefa tsy mahita asa akory avy eo. Latsaky ny folo isan-jaton’ireo tanora mahazo diplaoma no mahita asa sy karama mifanaraka amin’ny mari-pahaizany. Ny ambiny dia lasa manao asa tsizarisary amin’ny karama vary masaka na ihany koa tena tsy miasa mihitsy. Karazan’ny efa tsy mitombona intsony io fitenenana hoe ny fianarana ny lova tsara indrindra io satria toa ny tsy hanao inona tsy hanao inona sy tsy nahita fianarana indray no tafita eto Madagasikara. Tafita izy ireo satria sahy mangalatra sy misoloky ary mivelona amin’ny fidiram-bola tsy ara-dalàna loatra.

Mahazo vola betsaka noho ny karaman’ny tanora vao nahavita fianarana  ireo mpanao afera sy manera amin’ny fivarotana vato sarobidy tsy nahazoana alalana eny Analakely. Mbola toy izany ihany koa ireo mpanao aferarefa miampy fisolokiana amin’ny varotra madinidinika etsy sy eroa. Tsy nianatra ny ankamaroan’ireny olona ireny fa voatery nitady vola amin’ny fampiasana saina sy hafetsifetsena nefa dia misy lasa mpanankarena mihitsy. Manaporofo izany rehetra izany fa tsy ny fianarana mihitsy no mahatafita eto Madagasikara. Mitombina ihany koa io resaka io amin’ny resaka politika ary efa niaraha-nahita fa maromaro ihany izay mpitondra Fanjakana ambony tsy dia manam-pahaizana teto amin’ny firenena izay. Ny diplaoma no tsy nananan’izy ireo fa naranin-tsaina sy nahay niady tamin’ny fiainana mba hisondrotra amin’ny ambony hatrany ka dia tafita. Ny tsy fananana diplaoma be mantsy tsy midika mihitsy hoe vendrana na dondrona ny olona iray satria ny ezaka vita eo amin’ny fiainana sy ny fisondrotana ihany no ahafahana mamaritra ny faharanitan-tsaina.

Misy resaky ny mpitari-bato vilam-bava ihany ny zava-misy eto amintsika ary toa lasa kilalaon’ny fitondram-panjakana sy ireo vondrona tsy miankina misehatra eo amin’ny fanabeazana ny resaka fampianarana. Amporisihina hampiana-janaka ny ray aman-dreny nefa ny asa ataon’izay mahazo diplaoma aza tsy misy. Ambonin’izany tsy mitsaha-misondrotra ny saran’ny fampianarana sy ny kojakojam-pianarana.  Efa mananika ny zato isan-jato ny fiakaram-bidin’ny fitaovam-pianarana amin’izao fotoana izao. Hita mibaribary fa tena misy fanararaotana avy amin’ireo mpanafatra entana sy mpamongady nefa jeren’ny fitondram-panjakana fotsiny. Raha ny vaovao marim-pototra  dia tsy mahazo mivoaka manao ny asany ireo mpanara-maso ny vidin’entana eo anivon’ny minisiteran’ny Varotra. Karazan’ny misy fanararaotana avo lenta ary mety misy kolikoly ihany koa anefa izao fiakarana be eo amin’ny vidin’ny fitaovam-pianarana izao. Izany hoe misy tompon’andraikitra ambony mandrara ireo mpanara-maso ny vidin’entana tsy hanao ny asany sao mahita ny tsy mety eo ka mitatitra izany amin’ny vahoaka.

Ireo rehetra ireo dia maneho fa resaka fitadiavam-bola ho an’ny tompon’andraikitra ambony sasantsasany, sy ireo fikambanana milaza ho mpanao asa soa fotsiny ity resaka fampianarana eto Madagasikara ity. Hahazoan’izy ireo famatsiam-bola goavana be avy any ivelany sy avy eto an-toerana mantsy ny fizarana fitaovana maimaim-poana ho an’ny mpianatra sokajiana ho sahirana ka ampahany kely ihany no ampiasaina amin’izany. Na ireny “kits scolaires” zarazarain’ny fitondram-panjakana ireny aza dia misy tombony be ho an’ny tompon’andraikitra mikarakara azy. Izay ilay hoe manararaotra ny fahasahiranan’ny sasany. Lasa lova lafo indrindra ho an’ireo fetsifetsy sisa ny fampianarana eto amintsika. Ny voka-panadinana anefa tsy mitsaha-mitotongana.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre