Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Botry rendrika tany Soalala – Tovolahy 14 taona tsy hita popoka

Botry kely indray no tra-doza indroa miantoana tany amin’ny fari-dranomasin’i Soalala tamin’ny herinandro lasa teo. Tovolahy 14 taona, isan’ireo mpandeha taminy, no fantatra fa tsy hita popoka hatramin’izao. Araka ny vaovao voaray, manodidina ny roa tokom-bolana teo ity botry ity no nanainga ary handeha hihazo an’i Mahajanga.

Tsy fantatra mazava kosa hatreto ilay toerana niaingany tamin’io fotoana io fa tra-doza tampoka ity farany rehefa tonga teo anelanelan’i Besalampy sy Cap Saint-André noho ny tafio-drivotra mahery vaika sy ny fisamboaravoaran’ny ranomasina. « Olona maromaro niaraka tamin’ny entana no nentiny. Saika niala avokoa vokatr’izany ny lay mitazona sy mampandeha ilay botry, ka tamin’izany indrindra no latsaka tampoka tany anaty ranomasina ilay tovolahy kely 14 taona, isan’ ireo mpandeha ary avy hatrany dia nilentika », hoy ny loharanom-baovao voaray. Nandritra ny herinandro no fantatra fa nijanona teo amin’ilay toerana nisehoan’ny voina nikaroka ilay tovolahy ny rehetra fa tsy nahitam-bokany izany ka voatery nanohy ny diany ilay botry.

Rehefa nanainga anefa izy ireo dia niseho ny loza fanindroany teo anelanelan’i Cap

Saint-André sy ny tanànan’i Maroalika. Nidona tamin’ny vato ilay botry kely ary nivadika nony avy eo. Soa ihany fa nalaky hitan’ny fokonolona ka tsy nisy aina nafoy na olona tsy hita fa ny entana kosa very lasan’ny rano avokoa.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre