Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Jamba mifampitantana !

Ity izany no tonga amin’ny fitenenana hoe « taitra ny olona, tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra ». Fa ahoana tokoa moa izany ?

Ny voalohandohan’ity herinandro ity dia nifanesika nandray fitenenana ireo olobe eto amin’ity planeta tany ity tany New York. Amin’izao fihaonan-dehibe faha-fitopolo ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Firenena Mikambana izao dia nifamotoana tany Etazonia daholo ny mpitondra fanjakana sy filoham-pirenena rehetra. Azo lazaina tokoa izany satria vitsivitsy, azo isaina amin’ny rantsan-tanana ireo nisafidy ny hijanona any amin’ny tany misy azy any. Hita tany New York arak’izany hatramin’ny Papa François, filohan’ny Eglizy Katolika maneran-tany, eny fa na dia i Vladmir Poutine, filohan’ny firenena rosiana izay efa amam-polo taona azy tsy nanatrika izany fivoriam-be izany, dia tonga tany ihany koa. Tsy lazaina intsony izany ry François Hollande, filoham-pirenena frantsay, izay miezaka mametraka ny tenany sy ny fireneny ho isan’ireo tany tsy azo tsinotsinoavina ka tsy maintsy ifanarahana, raha vao resaka politika iraisam-pirenena. Tsy ny aty Afrika intsony izany no tian’i Lafrantsa eo ambany saokany, – maro no milaza fa ny korontana ambony ambany mitranga any Lybie any dia isan’ireo tompon’antoka tanteraka amin’izany ity firenena ity -, fa eo ihany ireo firenena any Proche sy Moyen-Orient, ka hatrany Azia any. Mazava ho azy ihany koa ny fanatrehan’i Barack Obama, filoha amerikana, satria izy rahateo no tompon’ny tanàna, no sady manan-kambara be raha ity resaka politika iraisam-pirenena ity. Ny marimarina kokoa dia manana ireo fitsipika apetrany, izay tian’ingahy Obama averimberina, ka tsy maintsy arahan’ny rehetra ny firenena amerikanina. Izay mantsy no ilazana hatrizay fa ry zareo no zandarin’izao tontolo izao. Fa ny Chancelier alemana ihany koa mba tonga tany New York tany saingy tsy nahitan-teny firy raha ny resaka notaterin’ireo gazety lehibe eto ambonin’ity tany ity. Asa angamba mbola very anaty sangondim-panin’ireo mpitsao-ponenana tonga any amin’ny taniny Ramatoa Angela Merkel.
Arak’izany dia nifanotofan’ireo olobe maneran-tany ny fandraisam-pitenenana tamin’ity fihaonam-be faha-fitopolo ity ary dia samy nanana ny ho lazainy avokoa izy rehetra ireo. Ny azo lazaina fa ady hevitra iraisan’ny maro tamin’izany dia ny raharaha mahakasika ny firenena sirianina sy ny ady iraisam-pirenena amin’ny fanjakana islamika: taim-bava re izao ny an-dry zareo frantsay sy amerikanina fa hoe tsy maintsy miala amin’ny toerany hono ny filoha sirianina Bachar Al-Assad fa raha ts’izany tsy milamina ny raharaha. Dia namaly ny rosianina sy ny iranianina fa tsy misy làlana afa-tsy ao amin’ity ranamana ity no ahazoana ny fandresena manoloana ireo silamo mahery fihetsika mandrava ny firenena maro eran-tany ankehitriny.
Mazava ho azy fa firenena manan-katao daholo eto no miresaka ary raha vao vita ny kabary maro samihafa dia samy nangoron’entana namonjy ny taniny avokoa. Ingahy François Hollande ohatra ny ampitson’io ihany dia efa nitokana foto-drafitr’asa tany aminy tany, ary ny alarobia lasa teo dia efa nitarika ny fivorian’ireo minisitra. Toy izany koa i Barack Obama izay efa any Washington hatramin’ny talata teo. Tsy misy intsony izany ao New-York ao afa-tsy filoham-pirenena vitsivitsy avy amin’ny firenena madinika sy an-dalam-pandrosoana ary raha ny filaharan’ny fandraisam-pitenenana omaly no jerena dia ny filoham-pirenena avy any Haïti no mialoha ny fandraisan’anjaran’ny filoha malagasy. Aorian’izay kosa dia ny filohan’ny nosy kely mitambatra antsoina hoe Micronésie no miakatra ny pilopitra. Dia tsapa arak’izay fa tsy hita hoe iza marina izany no iantefan’ny kabary atao, izay inoana fa tsy maintsy hahakasika ny fahantrana izay mamely dia mamely tokoa eto amintsika. Raha tsy hoe angaha hanatsaratsara bika indray ka hanambara fa mandroso be i Madagasikara ary tsy misy intsony ny mpangalatra sy ny mpandroba ary ny totankely, hany ka kely sisa dia ho paradisa ny eto amintsika. Mazava ho azy tokoa mantsy fa rehefa tsy eo ireo filohan’ireo tany manam-bola hatoraka aty amintsika mba hihaino ny fitarainan’ny tany mahantra dia tsy mivoha ihany koa ny famatsiam-bola iraisam-pirenena ary tsy ho avy ihany koa ireo mpanefoefo ampiasa ny volany eto amintsika. Dia inona moa izany fa kabary an’efitra ihany arahina fitsangatsanganana no atao any e ! Tonga amin’ny hanihanin’ny ankizy amin’izao fotoana izao hoe : misy mihaino ? Ka samy sahirana sisa no mifampijerijery eo sy ifampitafatafana ny fahoriana mahazo ny tena koa, ary dia izay tokoa angamba no tonga amin’ny fanoharan’ny Ntaolo mikasika ireo jamba mifampitantana.

Jean Luc RAHAGA

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre