Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Toamasina – Ravinala no solon’ny fonosana plastika

Manoloana ny resa be amin’ny tsy fahazoana mampiasa ny harona plastika intsony eto amin’ny firenena, dia maro ny tranga miseho eny amin’ny bazary rehetra eny raha ny eto an-drenivohitr’i Betsimisaraka manokana. Misy ny toeram-pivarotana no mbola ahitana ireny fonosana plastika ireny mihantona ho talaky mason’ny mpividy, eo ihany koa ny mpanjifa tsy misalasala ny mividy azy ireny. Manoloana ireo rehetra ireo, dia misy ihany koa andian’olona, misandoka sy mitonona ho mpiasan’ny sampan-draharaha ny Varotra sy ny fanjifana, mampitahotra sy mandrahona mihitsy izay olona mbola ahitana harona plastika eny aminy. Eo anatrehan’izany tranga izany dia nampitandrina, ary nanao fanambarana mihitsy ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana eto Toamasina fa : “ny mpiasa rehetra manao fisavana momban’ny varotra dia tsy maintsy mampiseho ireto antotan-taratasy manaraka ireto dia ny “ordre de mission” voasonian’ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana ary ny “carte de commission”-maha-“commissaire na contrôleur du commerce et de la concurrence azy ireo”.  Nasaina avy hatrany ny olona mety ho sendra ireo mpisandoka mba hanatona haingana ny biraon’ny sampan-draharaha momban’ny Varotra sy ny fanjifana eny amin’ny lapan’ny faritra, araben’ny fahaleovantena, mba ahafahana mandray ny andraikitra mifanandrify amin’izany.Noho ireo antony ireo dia ny ravina ravinala indray no tena ampiasain’ny mpivarotra eto an-drenivohitr’i Toamasina, ho famonosana entana eny an-tsena. Misy ihany koa ny mampiasa ravin’akondro, saingy malemy mora rovitra raha miohatra amin’ny ravinala. Dia maro sahady no manao bizina ravinala ho fitadiavam-bola amin’izao fotoana izao ary mazava ho azy fa ho ringana tsy ho ela ity karazan-kazo manamarika ny kaompania Air Madagascar ity.

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre