Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Ambomiadana Andramasina – Naolan’ireo mpanakan-dalana ny vehivavy rehetra

Miverina indray ny fanakanan-dalana eny amin’ ny lalam-pirenena. Kamiao iray sy fiara mpitatitra miisa 4 avy aty an-drenivohitra no lasibatra tamin’izany, ny zoma alina, tokony ho tamin’ny 10 ora. Nosakanan’ny andian-jiolahy maromaro nirongo basy mahery vaika sy sabatra  ary vato be ny lalana. Tamin’ny lalana mihazo ny distrikan’Ambomiadana Andramasina no nitrangan’io. Nitora-bato avy hatrany ireo jiolahy vao nandalo ilay fiara be  ka vaky tamin’ izany ny fitaratra aloha an’izany kamiao izany.

Araka ny loharanom-baovao dia io kamiao io no tena nandrasan’ireo jiolahy fa ny ambiny kosa sendra tavela tao aorianany. Mpitatitra hazo izy io ary avy nanatitra izany taty Antananarivo. Nambanan’ireo olon-dratsy basy avy hatrany ny mpamily sady nanontany ny tompon’ny fiara izy ireo. « Aiza Rakoto (solon’anarana), aiza daholo ny vola vidin’entana ? » Lasibatra nandritra ny fanafihana ny vola an-

tapitrisa vidin’ny hazo sy volan’ireo mpandeha tao anatin’ ireo fiara tao aoriana niaraka tamin’ ny finday maro.

Tsy nijanona teo fa mbola nofatoran’ireo andian-jiolahy ireo mpandeha ary novetavetain’izy ireo avokoa ny vehivavy rehetra. Naharitra ora maro ny asa ratsin’izy ireo, ka efa tamin’ny 2 ora maraina tany ho any vao navotsotr’ireo mpanafika ireto farany . Efa nentina notsaboina tany amin’ny hopitaly ireo olona ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre