Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Lanin’ny foza !

Niverina kely indray ny ady hevitra mikasika ny sata mifehy ny fifandraisana sy ny serasera. Toa resa-be fotsiny ihany anefa izy ity satria efa ela no nampanantenana azy nefa tsy hita izay tokotaniny. Ny fihetsiketsehana no betsaka ary toa zaran’ny sasany aza tsy hisy io sata io mba ahafahana manohy ny antsojay amin’ny mpanao gazety. Ho an’ny eto Madagasikara manokana dia hita fa tena fitiavana ilay asa no mahatonga ny mpanao gazety hifikitra, fa raha ny fepetra hanaovana ny asa dia tena mahamenatra raha fantatry ny olona hafa. Tsy hisy hitantara izany rahateo satria ny tokantrano tsy ahahaka nefa kosa misy ihany ny tsy mety tsy maintsy ho lazaina noho ny hevitra misafotofoto amin’ity asa ity.

Anisan’ny tena katsentsitra manimba sy mikiky ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ny fisian’ireo “foza orana” izay tena manala baraka ny asa satria mpisoloky sy mpangalatra ary ratsy fitondran-tena. Maro amin’izy ireo no tsy mpanao gazety akory ary tsy miasa na aiza na aiza fa dia mitonon-tena ho solontenan’ny radio any amin’ny faritra na ihany koa mandefa vaovao amin’ny « internet ». Misy ramatoa iray izay omen’ny olona anaram-bositra hoe « Radio vanille » ary tena malaza amin’io fisolokiana io. Misy ihany koa tovolahy antsoin’ny hafa hoe « Kouakou », havanana amin’ity fanaovana « foza orana » ity. Misoloky ho mpanao gazety izy ireo ary maka vola « felaka » amin’ireo mpikarakara hetsika. Ary tsy mamoaka ilay vaovao akory satria olona tsy miasa, araka izany ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao gazety no afa-baraka.

Mamohehitra ny zava-misy nefa mahagaga ihany koa fa malemy tsy mahajoro ary tsy mahavita mandray fepetra ny « holafitra » manoloana ireo foza ireo. Nisy ihany ny fanambarana nataon’ity holafitra ity saingy tsy hita izay fanatanterahana azy. Tsinjo rahateo fa misy amin’ireo mody tsara fifandraisana amin’ny holafitra no tena « foza ». Misy mba miasa ihany mantsy ny sasany amin’izy ireny saingy mpisoloky ka azo sokajiana ho foza ihany. Misy mihitsy andiana mpanao gazety tsy mitady vaovao afa-tsy izay misy felaka ary dia am-polony izy ireo no miara-mirohotra manenjika izay hetsika mety misy fizarana valopy. Mandritra izany no misy ny asa fisolokiana ny anaran’izay tena mpanao gazety miasa amin’ny orinasa manara-dalàna sy manara-penitra nefa sendra tsy teo. Ankoatra ny fakana volan’olona dia mihinan-kanina fotsiny no tena ataon’ireny « foza » ireny ka matetika dia ireo hetsika amin’ny atoandro, ora fisakafoanana, no tena feno azy ireo.

Manala-baraka ny tena mpanao gazety izany fomba fanaon’ny « foza » izany ary tena manimba ny asa fanaovan-gazety ka mila fongorina hatramin’ny fakany. Mahay miady ho an’ny hafa ary tsy milefitra manoloana ny tsy an-drariny mihatra amin’ny hafa ny mpanao gazety nefa tsy mahay miaro ny tenany sy ny zony. Efa tena lanin’ny « foza » ara-bakiteny mihitsy ity asa ity ka mila mihetsika hanaovana fanadiovana lehibe hamongorana ireo mpisoloky rehetra ireo. Anisan’ny tena olana rahateo ny fananan’ireo  « foza » ny karatra maha-matihanina navoakan’ny minisitera talohan’ny fifidianana ny holafitra. Tsy mahagaga izany satria natao fotsiny izay hahamaro ny mpifidy mba ahafahana mampandany ny kandidam-panjakana. Na ny holafitra  amin’izao aza dia maro ny tsy mankato azy io satria niaraha-nahita ireny fifidianana sadasada niteraka savorovoro ireny.

Vahaolana tsotra sy haingana: mila sintomina ireo karatra rehetra nozarain’ny minisitera ary hanamboarana karatra vaovao ny mpanao gazety. Tsy ny holafitra na ny minisitera no hamolavola izany karatra izany fa ny vondron’ireo mpandraharaha eo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ireo talen’ny famoahana. Mazava ho azy mantsy fa tsy ho tafiditra ao amin’io vondron’ny mpandraharaha io izay orinasa tsy manara-dalàna satria avy amin’izy ireny no tena ipoiran’ny foza. Fotona izao hamongorana ny foza tsy handoto ity asa ity.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre