Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Toamasina – Mitaky 4 tapitrisa « euros » ireo mpaka an-keriny

Vola mitentina 4 tapitrisa « euros » no takian’ireo mpaka an-keriny amin’ny fianakavian’ny zaza roa nalain’izy ireo an-keriny tany Toamasina omaly. Malagasy ireo ankizy ireo ary ao anatin’ny fahatanorany satria 14 taoana sy 17 taona. Zanak’olona manan-katao any Maroantsetra satria mpandraharaha amin’ny sehatry ny hazo ny ray aman-dreniny.

Handeha hianatra ireo ankizy ireo raha notafihin’ny olona efa-dahy, mitondra fitaovam-piadiana fampiasan’ny tafika, ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy. Nosongonan’ny kamiao kely, avy eo notsivalanany teo afovoan’ny arabe ilay 4×4 ka tsy afaka nandroso intsony fa tsy maintsy nijanona. Nivoaka ireo mpaka an-keriny ary avy hatrany dia nanambana basy sy nandrahona ny hitifitra raha tsy mivoaka ny fiara ary manaraka azy ireo ankizy. Natahotra ireto farany ka nanaiky mora ny baiko nomena azy. Efa nisy fiara tsy mataho-dalana iray hafa rahateo niandry teo ka iny no nitondran-dry zalahy ireo zaza.

Manamafy ity tranga iray ity fa lasa mitodika any amin’ny malagasy indray ny mpaka an-keriny ankehitriny. Tsara ambina mantsy ny vahiny taorian’ny fisian’ny herisetra nitranga tany Paris farany teo. Andrandrain’ny maro, araka izany, ny andraisan’ny mpitondra fepetra hentitra sy faran’izay haingana hiarovana ny malagasy.

Ra-Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre