Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Tapitra ny fifampiresahana !

Nangina tanteraka ary tsy re intsony ny fifampiresahana mahakasika ny famahana ny disadisa politika eto amin’ny firenena. Samy mifikitra amin’ny foto-keviny  ireo mpifandrafy ara-politika ary mifampitodi-damosina avokoa. Niaraha-nahita izany tamin’ireny fihaonana an-tampony teo amin’ny filoha 5 mirahalahy ireny. Nisintaka tsy nety nanohy ny fifampidinihina intsony ny roa. Ny telo ambiny kosa mba nanao hatramin’ny farany ihany saingy toa vao vita ny fihaonambem-pirenena dia samy lasa nihazakazaka nifanenjika sy nifampihantsy. Tranga maneho ireo fa tsy mahavaha olana intsony ny fifampiresahana raha ny zava-misy eto Madagasikara no jerena. Samy tsy misy te hihaino sy handinika kely akory ny hevitra aroson’ny hafa. Samy te hanao tery vay manta fa ny heviny no tsy maintsy arahina. Dia mifandona sy mifandrafy ary mifamingana hatrany ireo samy mpitarika politika. Io antony io no mahatonga ny fikorontanana politika tsy mety milamina ary izany no hitsingilahilan’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Andaniny ny mpitondra Fanjakana manao azy tsy ho refesi-mandidy satria eo am-pelatanany ny hery sy voninahitra ary ny vola aman-karena. Izay miseho ho be saina mitady hitaky ny zony dia efa vonona ny hery famoretana sy ny fitsarana ary ny fonja hanasaziana azy.

Ankilany ihany koa anefa dia tsy manaiky lembenana ireo mpanao politika ivelan’ny fitondrana. Miteny ny tsy mety ary misy aza indraindray lasa manao tora-po sy fankahalana olona tsotra izao fotsiny ireo mpanenjika ny fitondrana. Ny tena mahagaga dia tsy misy sahy mitonona ho mpanohitra ireo antoko lehibe izay tena mankahala tanteraka ity fitondrana ity. Midika io fa mbola manantena kely ihany sao mahazo seza na tombon-tsoa iaraha-mitavana eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Sarotra ny hino fa hisy izany fiaraha-mitavana izany satria efa manidy trano tanteraka ireo olon’ny fitondrana ary tsy te hizara ny fahefana sy voninahitra efa eo am-pelatanan’izy ireo. Porofon’izany ny tsy fanatanterahana ireo fehin-kevitry ny fampihavanam-pirenena izay nodradradradraina fa laharam-pahamehana ho an’ny mpitondra ary vahaolana goavana ho an’ny fahamarinan-toeran’ny Fanjakana. Tsy te hizara seza amin’ny hafa ny mpitondra ka naleony nitazona ireo andrim-panjakana rehetra voatondro fa tokony ho ravana taorian’ny fihaonamben’ny fampihavanam-pirenena. Odian’ny mpitondra tsy fantatra ihany koa ny fanantanterahana ny satan’andraikitra sy ny fifanaraham-pitoniana izay saika nifanaovan’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena. Tsy notanterahina na dia efa voarafitra aza satria fizarana seza no tena votoatin’ireo tetika roa andaminana ny disadisan’ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ireo. Izany hoe tsy te hizara seza ny mpitondra. Tsy azo hadinoina anefa fa niainga tamin’ny fifampiresahana ny satan’andraikitra ary efa nifanarahana fa hatao.

Milaza ireo rehetra ireo fa efa nilaozan’ny toetr’andro sy lany daty ny vahaolana katsahina amin’ny alalan’ny fifampiresahana. Didin’ny be fahefana sy ny be sandry ihany sisa no manjaka eto amintsika. Tsy azo ifampiresahina izany ny manam-pahefana fa manao didy jadona sy teny tsy valiana ary maka fanapahan-kevitra tsy nifanarahana hatrany. Tsy izy ireo ihany no manao izany fa hatramin’ny olon-dratsy ihany koa. Taloha dia malaza ny fanontaniana “aina sa vola” rehefa mifanehitra amin’ny jiolahy. Ankehitriny kosa tonga dia mamono mahafaty ireo olon-dratsy mialohan’ny handroban’izy ireo.

Efa niova ny toe-tsaina eto Madagasikara ka tsy misy intsony ny herin’ny fifampiresahana sy ny fifandresen-dahatra. Izany hoe tsy ny saina sy ny fahendrena intsony no mitarika ny fanapahan-kevitra fa ny loham-boto sy ny fampiasan-kery. Amin’ny sehatra rehetra mihitsy io no mitranga eny fa hatrany am-pianarana aza. Marobe ireo sekoly no manao tsinontsinona ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ka maka fanapahan-kevitra tsy azo valiana fa izay mangataka fanazavana dia mahazo teny an’avona toy ny hoe mialà dia mitadiava fianarana hafa. Ireo sekoly tantanin’ny kaonfesiona relijiozy no tena malaza amin’ny fomba amam-panao iray io.

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre