Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Fivarotana basy – Fito mianaka niara-voasambotra

Olona fito indray no voasambotra ary mpianakavy avokoa noho ny fanaovana trafikana basy, ny fiandohan’ny herinandro teo, tao Ampahatra, tany Antsirabe. Taorian’ny fitsirihana izay nataon’ny mpitandro filaminana dia tratra tao amin’ny toeram-pisotroana toaka, tany amin’ny toerana voalaza eo ambony, ny olona roa izay tena tao anatin’ny fifampiraharahana amin’ny fivarotana basy.

Natao avy hatrany ny fisamborana ilay mpividy raha toa ka tafaporitsaka ny iray hafa izay mpivarotra. Nentina tany amin’ny biraon’ny zandary iry voalohany natao famotorana ary efa nohadihadiana ela dia nanaiky nilaza ny marina rehetra momba ireo mpamatsy fitaovam-piadiana azy ireo.

Nanantanteraka ny fikarohana ireo olon-dratsy noho izany ireo mpitandro filaminana izay nahatratrarana ireo mpianakavy ny androtr’io ihany. Sarona nandritra izany ihany koa ny toerana fanamboarana bala sy basy izay tena mahery vaika tokoa na dia vita malagasy aza. Hiakatra fitsarana tsy ho ela izy ireo.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre