Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Tendan-kanina !

Niteraka resa-be teto amin’ny firenena ny habetsahan’ny vola ampiasain’ny fiadidiana ny Repoblika izay voasoratra ao anatin’ny vinavina tetibolam-panjakana taona 2016. Be loatra ny vola natokana ho an’ny prezidansa raha oharina amin’ny an’ny minisitera hafa izay tena iankinan’ny fiainam-bahoaka. Tsiahivina anefa fa raha ny tokony ho izy dia ny minisitera no manatanteraka ny tetikasan’ny fitondram-panjakana fa tsy ny fiadidiana ny Repoblika izany. Toromarika sy fandrindrana asa fotsiny ny an’ny filoha sy ny mpiara-miasa akaiky aminy fa ny minisitra sy ny tekinisianina eny anivon’ny sampan-draharaha samihafa no manao ny fanatanterahana ny asa. Nahagaga ny rehetra fa dia Ambohitsorohitra sy Iavoloha no mpandany vola be indrindra eto Madagasikara. Sady tsy manana sampan-draharaha any amin’ny faritany anefa izy ireo no anisan’ny vitsy mpiasa indrindra eo anivon’ny fitondram-panjakana. Midika io vola be natokana ho an’ny prezidansa io fa misy ihany ny tsy fifampitokisan’ny filoha amin’ireo minisitra. Izany hoe hiahy mivantana tetikasa maro ny prezidansa fa tsy hamela izany ho tantanin’ny minisitera isan-tokajiny. Maro sahady ireo mpiasam-panjakana no miresaka hoe raha vitan’ny fiadidiana ny Repoblika avokoa ny asa rehetra dia tokony ho ravana ny governemanta fa aleo ataon’Ambohitsorohitra sy Iavoloha irery ny asa fampandrosoana. Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra tokoa mantsy dia toa lasibatra ihany ny ankamaroan’ireo minisitera tsy mahavita asa. Tsy misy ny vola ampiasain’izy ireo fa miankina hatrany amin’ny fanapahan-kevitra avy any ambony vao afaka manao zavatra ho an’ny vahoaka. Hita miharihary anefa fa misy minisitera sy departemanta laharam-pahamehana hatrany rehefa hanao tetikasa. Ny hafa kosa dia miandry ny rariny fotsiny ary miantehitra amin’ny fanampiana an-tselika avy amin’ny mpiara-miombona antoka.

Mandany vola be loatra ny fitondram-panjakana nefa tsy mahay mampidi-bola. Misy ny fandaniana fahatany izay tsy ahitam-bokany akory toy ireny fivoriana sy fihaonana maro samihafa, ary fivoahana any ivelany ireny. Ny tena maharary ny vahoaka toy ny fahasalamana sy ny fiakaran’ny vidin’entana anefa tsy mba misy mitsinjo mihitsy. Fara-faharatsiny dia mila mamerina ny tsena mora toy ny tamin’ny andron’ny tetezamita ny mpitondra ankehitriny mba ahafahan’ny vahoaka madinika mividy sakafo amin’ny vola kely eo am-pelatanany. Azo atao tsara ny manafatra vary sy kojakoja fampiasa andavanandro any ivelany ka tsy andoavana haba sy hetra ary tsy hakana tombony fa amidy mora amin’ny vahoaka. Tsy mamono antoka ny Fanjakana io satria miverina ny vola nividianana ny entana tany ivelany ary dia ahodina toy izay hatrany. Tsy hanao izany anefa ny mpitondra fa variana mitodika any amin’ny sehatra tsy ihinanan-kanina toy ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar izay hita fa tsy ho avotra intsony ary efa henatra sy fahafaham-baraka ho an’ny malagasy ny haratsian’ny tolotra omeny.

Vola be tsy toko tsy forohana ihany koa no lany amin’ireny fitetezam-paritra sy fitetezana izao tontolo izao ireny koa tsy mahagaga raha mibontsina be ny tetibolan’ny prezidansa. Ankoatra ny tombontsoa mihoa-pampana sy ny karama isam-bolana mantsy dia mbola mahazo tambin-karama be ihany koa ireo delegasiona mivoaka any ivelany. Manamaro isa fotsiny anefa satria tsy hita izay vokatra entina avy any. Tsy mbola nisy mihitsy na indray mandeha aza delegasiona avy amin’ny fitondram-panjakana tonga avy any ivelany ka nitondra vokatra tena nisy fiantraikany avy hatrany tamin’ny fiainam-bahoaka.

Tsy mahagaga raha nampisavorovoro teny amin’ny Antenimieram-pirenena io tetibolam-panjakana 2016 io. Ny minisitry ny Vola izay tokony ho nanohana izany aza moa tsy nipoitra teny Tsimbazaza fa nilaza fa nisy zavatra nitazona azy. Tena kilalao ny raharaham-pirenena raha toa ka mbola misy raharaha hafa manan-danja ho an’ny minisitry ny Vola ka tsy nahafahany niady teo anoloan’ny solombavambahoaka mba ampandaniana ny tetibolam-panjakana. Samy manana ny laharam-pahamehana ho azy marina!

 

Ravalo tsy Manana

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre