Vous êtes ici :

Jeudi 18 Avril 2024

ombre

Carion – Taolam-paty 5 sakaosy teny amoron-dalana

Taolam-paty dimy kitapo no hitan’ny fokonolona teny amoron-dalana, teo anelanelan’ny kaominina Alarobia sy Carion, ny talata hariva, tamin’ny 7ora. Miisa 559 ireo taolana ary nafatratra tao anaty sakaosy izay nahitana taolan-tsandry sy fe ary ranjo. Mbola tsy fantatra ny fasana nakan’ny mpangalatra ireo taolana satria tsy naharay fitarainana mikasika vaky fasana ny tompon’andraikitra any an-toerana. Tonga nanao fizahana ireo taolam-paty ny mpitandro filamina ary ireo tompon’andraikitra kosa nanao antso avo amin’ny fianakaviana izay mety ho tompon’ireo taolana ireo.

Najanona ao amin’ny biraon’ny zandary any amin’ny kaominina Alarobia ireto taolana amin’izao fotoana izao mandra-piandry ireo tompony haka izany fa nanamafy kosa izy ireo fa tsy maintsy handray fepetra raha tsy miseho ireo fianakaviana amin’ity andro anio ity. Tsy maintsy alevina ireo taolana ireo rehefa tsy misy olona manao fampilazana momba ny fahavakisana fasana. Efa mandeha ny famotorana ataon’ny zandary.

Laurena Nany

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre