Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Be tsy andraofana !

Anisan’ny nahazo tsikera mafy ny hamaroan’ny delagasiona malagasy hanatrika ilay fihaonana an-tampony karakarain’ny Firenena mikambana mikasika ny fiovaovan’ny tontolo iainana (COP 21) atao any Paris ny faramparan’ny volana izao. An-jatony ny malagasy avy amin’ny sehatra maro samihafa no voalaza fa delegasiona ofisialy hanatrika io fihaonana io. Nahena indray izany avy eo satria tsy nahazo ny fankatoavan’ny vahoaka. Ny tena marina dia be tsy andraofana fotsiny ny malagasy amin’ny fihaonana iraisam-pirenena toy itony. Miseho ho be saina sy tapi-pahaizana ireo teknisianina malagasy nefa tsy henoin’ny vahiny akory. Tsy to-teny eo imason’izao tontolo izao satria tsy hitondra vahaolana no tena anton-dian’izy ireo fa hangataka. Efa isan-taona ny ankamaroan’ny teknisianina no manatrika COP fa tsy hita izay tena vokatra entiny. Miatrika fivoriana kely, mandray anjara amin’ny famelabelaran-kevitra, mizara taratasy misy antontan-kevitra dia izay. Milaza ho afa-po sy tena niasa be ary mirehareha rehefa tafaverina eto.

Tsy hita akory anefa izay tena vokatra mivaingana nentina avy amin’ny COP hatramin’izay fa ny eo ihany no eo. Vao mainka aza mihasimba ny tontolo iainana ary miharatsy ny toetr’andro. Efa andiany faha-21 ity ny COP nefa mitombo isan-taona ny hafanan’ny tany. Ireo firenen-dehibe no tena mpanimba ny tontolo iainana ary mahatonga izao hafanana be izao. I Madagasikara dia anisan’ireo tsy mpamoaka entona karbonika indrindra raha oharina amin’ny firenen-kafa. Izany hoe tsy isika no nahatonga izao hafanana be miakatra manerana ny tany izao. Ireo teknisianina malagasy anefa dia miseho ho zavatra sy miedinedina ery fa hanatrika COP hono. Toy ny hanao inona nefa hangataka sy hitalaho amin’ny mpamatsy vola no tena atao any. Rehefa tsy misy tokoa mantsy ny famatsiam-bola dia very asa ireny siantifika malagasy ireny ka tsy maintsy miady mba hampiseho amin’ireo vahiny fa misy zavatra azo atao eto Madagasikara. Ireo firenen-dehibe tena mpamokatra entona karbonika anefa tsy mivonona ampihena ny fandotona ny rivotra sy ny tontolo iainana.

Hanao inona any izany ireo malagasy marobe? Ho sahy hanery ireo vahiny ampihena ny loto avoakan’ny indostria ve? Nofy izany satria ireny indostria vaventy ireny no mpamatsy vola ireo tetikasa madinika natao hiarovana ny tontolo iainana eto amintsika.  Misy ilay tetikasa antsoina hoe “crédit carbone” izay raha adika tsotra dia ny fividianana hazo maniry hitroka ny entona karbonika avoakan’ny indostria vaventy. Vola be ho an’ny Fanjakana malagasy sy ireo vondrona mody miaro ny tontolo iainana io satria izy ireo no mitantana ny ampahany betsaka amin’ny vidina karbona. Misy ny fifanarahana fa tsy azo simbaina mihitsy ny ala amin’ny velaran-tany voafaritra ary andoavan’ny vahiny vola ny fanajana izany. Afaka mandefa entona karbonika tsy amin’ahiahy ireo indostria vahiny avy eo satria efa novidiny ny ala malagasy hitroka ny etona maloto avoakany eo. Dia tsy menatra akory ny Fanjakana malagasy milaza fa mila vola amina tapitrisa dolara entina hanatanterahana ireo tetikasa iatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ny hanina harapaky ny vahoaka aza tsy misy koa ny hafanan’ny tany no atao laharam-pahamehana. Fotoana lany sy vola atsipy eny am-baravarankely fotsiny ny an’ny mpitondra sy teknisianina malagasy amin’ny fiatrehana ny COP 21 satria tsy hisy vokatra hisongadina izany eo. Ny fanatrehana tokoa no zava-dehibe nefa tsy azo hadinoina fa miandry vokatra ny vahoaka sao hanao isan’olona any fotsiny toy ny fanaon’ny delegasionim-panjakana hatramin’izay. Fotoana tokony hamitana asa eto an-toerana lasa laniana amin’ny fivoriana any ivelany. Tamin’ity faramparan’ny volana novambra ity dia saika any Eoropa no lasa biraon’ny Filoham-pirenena sy ireo mpikambana amin’ny governemanta. Angletera, Frantsa, Italia, dia iza ihany koa no manaraka…?

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre