Vous êtes ici :

Vendredi 29 Mars 2024

ombre

FANAMBY HO AN’NY TANORA ANKEHITRINY

Fanamby lehibe mipetraka ho an’ny tanora  ankehitrio ny ho tonga manam-pahaizana  sady tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy.

Ny toetra tsara no mampisy lanja ny fahombiazana.

 Kely mahay fianarana ny tanora amin’izao fotoana izao. Firy taona ny kely indrindra afaka bakalorea fantatrao ? Dia araka izany ihany koa fa mihatanora ny manam-pahaizana eto amin’ny firenentsika. Hitombo be ny tanora mpitarika eto amin’ny firenena. Azo lazaina fa anisan’ny mampahira-tsaina ny tanora ny fandrosoana be misy ankehitriny toy ny teknolojia avo lenta tsy mitsaha-mivoatra sy ny fanatontoloana isian’ny serasera maneran-tany.

Harena ho an’ny firenena ny fananana  tanora manam-pahaizana satria ny tanjaka sy ny hery ao anatiny dia miteraka fahavitrihana kokoa hientana tsara hanatratra tanjona. Misy lesoka ihany anefa izany raha tsy mifanaraka amin’ny fahamatorana ara-toetra.

Ny fananana toetra mendrika no antoka voalohany hahatratrarana tanjona eo amin’ny fiainana. Hery ijoroana hananana ny maha izy ny tena koa izany.

Ohatra :  Misy tanora iray manana tanjona hanana ankohonana vanona ary mampaka-bady hanorina tokantrano. Amin’zany dia tokony ho mahay mitia ny vadiny io tanora io, ary manana fahamatorana ho raim-pianakaviana mendrika. Raha tsy izany dia mety hisara-panambadiana izy any aoriana ary ho simba ny taranany. Tsy tratrany ny tanjona.

Misy koa te ho tafita amin’ny fianarana, kanefa tsy manana fifehezan-tena hianatra tsara. Mandany andro be amin’ny rendrarendra isan-karazany, tia miaraka amin’ny naman-dratsy, dia tsy mahavita na inona na inona  ary tsy vita ny fianarana kendreny.

 

Araraoty ny fahatanorana hianarana fahendrena

Mila fotoana ny maha  olon-dehibe fa tsy azo andinganana lakilasy na anaovana hazakazaka toy ny any an-tsekoly. Tsy maintsy manaiky miaina ny fahazazana aloha, dia mandalo ny  fahatanorana , izay vao tonga  olon-dehibe isika olombelona. Raha tsy tomombana tsara izany fotoana rehetra izany dia misy ny zaza olon-dehibe ary misy ny olon-dehibe zaza.

Ny zaza olon-dehibe dia mahatsiaro tsy mba niaina fahazazana ary tsy nahazo ny filany tao anatin’izany: toy ny fahafahana hilalao, fikarakarana avy amin’ny ray aman-dreny sns…Tsy mba afaka nianatra ny ho olon-dehibe ihany koa teo amin’ny hatanorany fa avy hatrany dia noterena ho matotra sy handray andraikitra. Manao tolona tsy omby tratra izy amin’izany.

Ny olon-dehibe zaza indray dia mbola te hiverina hilalao ary tsy te ho tompon’andraikitra na dia efa be taona sy manana andraikitra izao aza.Manimba zavatra betsaka ny toy izany. Manana olana avokoa  ireo roa ireo, ary mila fanasitranana.

Ny olana dia mihazakazaka hahazo fahaizana amam-pahalalana ny tanora fa tsy mba miezaka hianatra toetra tsara. Tsy ho tonga olon-dehibe (matotra) ny tanora raha tsy manaiky mianatra fahendrena ao anatin’ny vanimpotoan’ny fahatanorany. Ny fandraisana andraikitra dia tsy vitan’ny fietanam-po mahery vaika fotsiny.  Raha efa eo amin’ny taonan’ny olon-dehibe hianao vao hianatra dia betsaka ny fatiantoka efa miseho. Noho izany ry tanora, miezaha hatrany ho tonga manam-pahaizana, miezaha hanana fahaleovan-tena, fa meteza koa hianatra fiainana.

Tanora mahay mihaino

Omena fitokisana sy fahalalahana ny tanora mba ivelarany amin’ny fahombiazana. Ilaina ny isian’izany fomba fitaizana mahomby izany ary tokony hataon’ny ray aman-dreny mitaiza tanora rehetra.

Raha araraotin’ny tanora ny fanomezana fahalalahana azy satria mihevitra ny tenany ho olon-dehibe mahaleo tena  izy ( efa manana diplaoma na toerana ambony nohon’ny fahaizana ananany), dia hanana olana satria hiavona ary hanilika ny fahendren’ny antim-panahy.

Ny olona rehetra dia mila mpampianatra sy mpananatra avokoa eo amin’ny fiainana satria mila mitombo fahatoniana hatrany isika raha mbola miaina. Mila ny hafa hendry kokoa  hanampy antsika foana isika. Hianao ve manana olona inoana afaka hananatra na hanoro làlana anao eo amin’ny fiainana, indrindra manoloana ny tsy fahombiazana? Raha izany dia handroso tokoa hianao. Ny olona tsy mila na iza na iza fa mihevitra ny tenany ho tena hendry dia diso hevitra ary resy matetika.

Ny ray aman-dreny niteraka dia ampiasain’Adriamanitra  hanoro sy hampianatra ny tanora. Izany no ilàna ny fifandraisana tsara amin’ny ray aman-dreny. Raha misy tsy efan’ireo dia afaka mitady fanampiana hafa ihany koa. Fa amin’izany rehetra izany dia manana adidy ny tanora hihaino ny feon’Andriamanitra sy hamantatra izay mifanaraka amin’ny sitrapony.

Manana tombony ny tanora manana ray aman-dreny ao amin’ ny Tompo ary miara-mivavaka mandrakariva amin’ny zanany. Fitahiana  lehibe ho anao ireo ray aman-dreny ireo ka henoy amim-panajana.

Tanora ho avin’ny firenena

Hianao tanora miaina ankehitriny izao no ho avin’ny firenena rahampitso. Mahita ny fahasahiranana mahazo ny firenena ny tanora rehetra. Mahantra isika.  Avy hatrany dia ny vola sy ny fitaovana no eritreretina amin’izany fahantrana izany ary voizina mafy.Tsy ny fahasahiranana ara-toe-karena anefa no tena olana voalohany. Isika Malagasy dia ambara fa manana harena tokoa. Ny fahantrana ara-toetra sy ara-tsaina no tena olana mangeja tsy hananana ny fiadanana sy ny fandrosoana haingana. Hitantsika ny akon’zany amin’ny rivotra politika sy ny fomba itondràna ny firenena.

Ny tanora  hitondra fanovàna sy fampandrosoana dia ireo tsara toetra, ka mampiasa ny talenta  vokatry ny fianarana norantoviny hampandrosoana ny fiadanana. Amin’izany dia mampiasa ny talentany amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ka tsy manao zavatra mifanohatra amin’ny sitrapony.

Misy ny manam-pahaizana tonga olo-malaza ary lasa mifaninana amin’Andriamanitra sy mandrafy an’Andriamanitra amin’ny famoronana na ny fikarohana ataony. Misy koa ny sasany mampiasa ny talentany ho filàna tombotsoa manokana izay mitondra fanimbana, fa ao koa ireo mikasa hamotika fotsiny tsotra izao.

Fantatsika ny loza mitatao amin’ny famoronana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika, ny herisetra sy fampihorohoroana, iainantsika koa ny fiovan’ny toetr’andro ankehitriny, ankoatr’izany ny fahasimban’ny tontolo iainana. Vokatry ny fahaizan’ny zanak’olombelona avokoa izany.

 

 Tanora tia an’Andriamanitra

 

Hitanao amin’izany ary ry tanora fa mila ezaka ny fanarenana ny toetra maha olona ho enti-manondrotra ny firenena. Afaka mandray anjara mavitrika amin’izany hianao izay mamaky ity lahatsoratra ity, ary afaka ho tonga fitahiana ho an’ny mpiray firenena aminao ny ezaka ataonao, miampy ny fahaizana amam-pahalalana norantovinao. Ho mpanorina fiadanana hianao.

 

Nohariana ho tia sy hiankina amin’Andriamanitra Ray sy Mpamorona antsika isika. Noho izany tsy afaka hahaleo tena eo anatrehany, fa ny fisarahana Aminy dia mahatonga tsy fahafenoana mandrakariva ary miteraka olana eo amin’ny fiainantsika.

“Ary tiava an’I Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” Deotoronomia 6:5.

Ny tanora manana fitiavana an’Andriamanitra dia manana fitiavana miaina ny teniny sy mankafy ny làlany. Miaro ny fiainany tsy ho voaloto izany no sady mitari-dàlana azy ho amin’ny tsara . Raha samy manana tanjona hanasoa ny mpara-belona ny tanora manam-pahaizana rehetra dia ny tanora tena tia an’Andriamanitra no voatahy hanana ny tena fahombiazana.  Ny fo feno fitiavana an’Andriamanitra  irery ihany no itoeran’ny fitiavana ny mpiara-belona. Manova ny fo ratsy ny fitiavany.Azonao atao ny manolotra ny fonao anjakany ary mifaly amin’ny fizorana amin’ny làlana.

Tanora tia ny mpiara-belona

Tsy misaraka ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Ny olona tia ny mpiara-belona dia manana fanoloran-tena hanompo hanao izay hahatsara azy. Ny hahasoa  ny olona hatrany no kendreny ary ny ho azy no farany matetika. Araka izany dia tsy manao zavatra manimba na mampahory ny manodidina azy. Tsy mitady ny ho azy manokana fotsiny ihany koa.

Raha maniry hitia sy hanasoa ny mpiara-belona hianao tanora, dia ny ao an-tokantrano no tokony hotiavina voalohany; ny ray aman-dreny sy ny mpiray tampo. Raha mahomby amin’ny fitiavana ny ao an-tokantrano hianao dia ho mora aminao koa ny hitia ny mpiara-belona any ivelany.  Ao no iainana voalohany izany fanetre-tena, fanompoana, fanaovan-tsoa, ary fandeferana izany.

Tsy mampaninona ny tanora sasany ny mivoaka handeha hanambady kanefa ratsy fihavanana amin’ny ray sy reniny. Fomba tsy mendrika izany.

Ny fitiavana ny ray aman-dreny dia ny fanajana azy no voalohany; mihaino ny lazainy, maneho fihetsika mendrika, mandray anatra, mora alahatra, manolo-tena hanao soa ho azy sy mifanampy aminy mandrakariva. Rehefa manana fanajana ray aman-dreny hianao tanora dia ho afaka ho tia ny iray tampo aminao ihany koa ary afaka hiara-monina amim-pahatoniana amin’ny ankohonana ao an-tokantrano. Marihina fa ny fanajana ray aman-dreny dia arahana teny fikasana misy fitahiana ho amin’ny fiainan’ny tanora ho avy rehetra.

”Manaja ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’I Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro hianao, ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’I Jehovah Andriamanitrao anao.” Deotoronomia 5:16

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre