Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

COY 11 – Diaben’ny toetr’andro – Nahavory tanora maro be

Betsaka ireo tanora namaly ny antso nandritra ny diaben’ny toetr’andro izay nokarakarain’ny fikambanana COY 11 Antananarivo ny farany herinandro teo. Diabe izay niainga avy eny Mahamasina ka niafara teo amin’ny lapan’ny Tanana teo Analakely no namaranana ity fanentanana amin’ny toetr’andro ity.  Atrikasa sy valan-dresaka niarahana tamin’ny tanora avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara izay miisa 130 ary 24 avy any amin’ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indiana izay nahitana an’i Maorisy, Kaomoro La Réunion ary Seychelles no tonga nanamafy ny hetsika teny amin’ny Foibe ara-kolontsaina amerikana ny alakamisy 27 novambra.  Ary dia mbola nitohy ny hetsika tetsy amin’ny “Lycée moderne Ampefiloha” tamin’ny fanentanana isan-karazany toy ny dihy, hetsika ara-java-kanto ary fifanakalozana izay nisokatra ho an’ny daholo be ny asabotsy 28 novambra. Nofaranana  tamin’ny diabe sy fampisehoana goavana miaraka aminy tarika fanta-daza maro,isan’izany  Iraimbilanja, THT, Melky, Vilon’Androy ary Cougar ny alahady. Hoan’ny mpikarakara dia tratra ny tanjona satria maro be koa ireo mpandalo no liana tamin’ity fanentanana mikasika ny toetr’andro ity, izay tsy mitsahatra ny miovaova hatrany vokatry ny asan’ny zanak’olombelona.

E.F

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre