Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Fahafatesana faobe

Mandrika ny ra ary miampatrampatra ny faty amin’izao fiandohan’ny taona izao.Toa miseho avokoa izao karazan-doza mahatsiravina sy amoizana ain’olona rehetra izao. Vao andro vitsy lasa izay no nisehoana fifandonan’ny dahalo sy ny mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona ka nisian’ny faty olona mikararana tany Ilakaka. Maneho io tranga iray io fa tena ady mihatra aman’aina fa tsy tantara foronina ny asan-dahalo any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Voatery tsy maintsy miaro tena ny mponina satria izay ihany ny fomba ahafahan’izy ireo mandroaka ireo jiolahy mpangalatra omby. Ireto farany rahateo efa mivonona ny handripaka izay rehetra mifanehitra aminy. Lasa fifamonoana sisa no vahaolana haingana sy mahomby ahafahana miaro tena. Iaraha-mahalala ihany koa fa mbola maro ireo tanàna sy olona samihafa fihaviana any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy iny no mifampiandry kendry tohana fotsiny hifandripaka noho ny disadisa aterak’ity asan-dahalo ity ihany. Na ho ela na ho haingana dia ahiana hipoaka izany fifamonoana izany ary misy ny risika hisian’ny fahafatesana faobe.

Mbola loza manambana sy mampihorohoro ny vahoaka ihany koa ny afitsoky ny loza voajanahary. Hatreto dia efa ampolony sahady ireo namoy ny ainy vokatry ny fiakaran’ny rano amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Mbola ahiana ny hitaran’izany satria mbola tena ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana sy ny rivo-doza tantetraka i Madagasikara ary raha ny nambaran’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro dia hanomboka ho avy ny orana eto an-drenivohitra anio. Ahiana haharitra be ny rotsak’orana ka hiteraka ny fiakaran’ny rano eny amin’ny faritra iva sy ny fihotsahan’ny tany eny amin’ny toerana avo indray izany. Mila mandray andraikitra dieny izao ny rehetra mba hisorohana ny voina mety hitranga izay tsy honohono intsony fa tena mampidi-doza hatrany isaky ny vanim-potoana toy izao.

Mbola loza iray hafa mahafaty olona betsaka indrindra, ankoatra ny aretina, ihany koa ny lozam-pifamoivoizana. Nisesisesy indray izy io tato ho ato ary matetika dia nahafatesana olona avokoa. Fandehanana mafy, tsy fahatomombanana ara-mekanika, hamamoana, ary ny haratsian-dalana no tena anton’ireny. Ny mahagaga anefa mifanandrify mihitsy amin’ny fotoana nilazan’ny mpitandro filaminana fa andraisana andraikitra amin’ny fandaminana sy fampanarahan-dalàna ireo mpampiasa lalana no mahabetsaka ny loza. Ho an’ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina dia saika ny hamamoan’ny mpamily avokoa no nitarika ny loza nahafatesana olona sy nahasimbana zavatra maro. Ny mpitandro filaminana anefa manizingizina fa tsy handefitra mihitsy manoloana ireo mpamily rehetra voaporofo fa nisotro toaka.

Santionany amin’ny loza mivantana mahafaty olona eto Madagsikara amin’izao fiandohan’ny taona izao ireo nolazaina ireo fa mbola maro ny tsy voatanisa, nefa raha avondrona ny antony dia noho ny fahantrana sy ny tsy fisiana. Mahantra ny vahoaka dia tsy ampy sakafo nefa tsy afaka manaraka fitsaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana noho ny tsy fisian’ny vola. Lasa manao dokotera tenany ka rehefa mihombo be ny aretina vao manantona hopitaly. Sady tsizarizary ny fandraisana marary eny amin’ny hopitalim-panjakana no midangana be ihany koa ny vola laniana koa tsy mahagaga raha maro ireo mamoy ny ainy. Mbola io fahantrana io ihany koa no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana izay tena fototry ny fahafatesana eto amintsika. Izay sendra tratra alina vintana sisa no antsoina mba tsy hifanehitra amin’ny olon-dratsy fa ny aina avy hatrany no manefa. Tena mijaly ny Malagasy ary farahidiny indrindra maneran-tany satria ny sehatra rehetra mihitsy no tsy misy azo antenaina. Milaza ho afa-po amin’ny asa nataony ny mpitondra ary tsy vonona ny hihaino velively izay fitarainan’ny vahoaka. Matoa ny olona mitaraina dia misy ny maharary fa tsy sanatria fitiavana « hitsikera » sy « hanenjika » ary « hamingana » araka ny voambolana politika fampiasanan’ny manam-pahefana rehefa mikabary. Hiafara amin’ny fahafatesana faobe izao fahantrana izao raha mitohy ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitr’ireo mpitondra !

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre