Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Lakolosim-piangonana – Lasa bizina matavin’ireo mpangalatra

Nirongotra tao ho ao ny halatra lakolosy. Noho ny filana sy fitadiavana dia lasa havadika ho vola indray ny lakolosim-piangonana noho izy vita amin’ny varahina. Ankoatra ny tranga izay niseho tany amin’ny distrikan’i Belo ambonin’i Tsiribihina tamin’ny faramparan’ny volana janoary lasa teo dia tonga any amin’ny distrikan’i Miandrivazo indray izany. Araka ny loharanom-baovao voaray dia ripaka avokoa ireo lakolosy amin’ireo fiangonana katolika any ambanivohitr’i Miandrivazo amin’izao fotoana izao. Hatreto dia lakolosy miisa 6 no efa lasa. Mihanika tilikambo mihitsy ireo jiolahy mangalatra izany fitaovam-piangonana izany.

Manoloana ny firongatr’ity trangan-javatra mampalahelo ity dia niangaviana ireo kristianina tany  an-toerana mba hampirina ireo sisan’ny lakolosy tsy lasan’ireo mpangalatra any an-tranony avy saingy tsy nety izy ireo fa natahotra ny hidiran’ireo olon-dratsy an-keriny ka ho voatifitra. Nandray fepetra noho izany ny tompon’andraikitra nampiakatra ireo lakolosy ireo ao an-tampon-tanàn’i Miandrivazo.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre