Vous êtes ici :

Mercredi 01 Mai 2024

ombre

Tsy namokatra indray !

Hifarana sahady ity ny herinandro voalohany amin’ny volana faharoa amin’ity taona ity. Niandry vasoka ary nanantena ny tsy misy ireo nihevitra ny hioty vokatra araka ny fanambaran’ny filoham-pirenena fa taom-piotazana ity 2016 ity. Raha voankazo no resahina, efa tokony mba hita taratra ireo manta kisoka sy saoma ravo afaka hotazana atsy ho atsy rehefa masaka. Hatreto anefa, raha ny zava-misy, dia tsy mbola mamelana akory ny hazon’ny asa fampandrosoana tian’ny filoha sy ny ekipany apetraka. Mbola mandrantsana sy manisy zezika ny filoha raha ny fijery azy satria tsy mipetraka tsara akory ireo sampana rehetra heverina hisy voa. Mbola tsy nivory voalohany akory ireo loholona vaovao koa inona no vokatra afaka hotazana amin’izy ireo eo ? Ireo ben’ny tanàna amperin’asa ihany koa dia tsy mbola milamin-tsaina satria maro ny mitaintaina sao soloina indray. Mbola mitohy hatrany mantsy ny didy fanovana ben’ny tanàna avoakan’ny filan-kevi-panjakana. Ny governemanta ihany koa mitsingilahila ary ahiana hiova anio sy rahampitso na afaka andro vitsy. Toy izany ihany koa ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izay manomboka misafotofoto amin’ny fikasana hanongana ny birao maharitra. Raha tsy mahay ireo depiote dia tsy ny birao maharitra ihany no hiongana fa mety ho rava hatramin’io andrim-panjakana io. Vao manomboka ny taona dia misafotofoto avokoa ny raharaham-pirenena, indrindra ny eny anivon’ny andrim-panjakana isan-tsokajiny izay samy tratran’ny aretin’ny fizarazarana sy ny tsy fifampitokisana anatiny. Na ireo sehatra lehibe natao iankinan’ny fiandrianam-pirenena sy ny tany tan-dalàna aza dia hita fa misy ihany ny tsy fifankahazoana. Miseho izany amin’ny samy mpitandro filaminana, eo amin’ny polisy sy ny mpiandry fonja, ny polisy sy ny mpitsara,…andry lehibe tokony hiara-hiasa ametrahana ny tany tan-dalàna nefa toa lasa mifampiahiahy sy mifanenjika ankolaka indraindray. Maneho ireo rehetra ireo fa misy maharary ary mila fitsaboana maika ny fomba fitantanana ity firenena ity. Tsy vitan’ny kabary miendrika teny tsy valiana mantsy ny fandresena lahatra ny vahoaka hiandry ny fiantraikan’ny asa fampandrosoana ho tonga isan-tokantrano sy eny ambony lovia fa mila vokatra sy porofo avy hatrany.

Hatreto aloha dia tsy nisy ny vokatry ny fampandrosoana afaka notazana hatramin’ny fiandohan’ity taona ity. Mbola tsy hita taratra ihany koa izay azo hotazana ato ho ato ary toa vao maika aza miharatsy ny toe-draharaha satria miakatra be ndray ny vidim-piainana. Resaka antontan’isa sy fanazavana no vahaolana aroson’ny mpitondra Fanjakana fa tsy fandraisana andraikitra mivantana hitsinjovana ny vahoaka. Azo atao tsara mihitsy ohatrany mamoaka didy hampidinana ny vidin-tsolika hifanaraka amin’ny vidiny eo amin’y sehatra iraisam-pirenena. Ny Fanjakana rahateo dia efa nametraka hatry ny ela ny vidin-tsolika tena izy nefa ny eto amintsika tsy mety midina fa midangana be hatrany. Nilaza mihitsy ny vondron’ny fikambanan’ireo mpitatitra an-tanety fa misy resaka tsy mazava ny fahalafosan’ny vidin-tsolika eto amintsika amin’izao fotoana izao. Mitazam-potsiny ny Fanjakana manoloana izany rehetra izany ary toa minia tsy mahalala ny zava-misy. Vokatra inona no andrasany hotazana ho an’ny vahoaka amin’izany ? Ry zareo mpitondra aza tsy sahy mandray andraikitra fa mifampiandriandry, ary angamba misy mivavaka mihitsy any ho any mba hiakatra indray ny vidin-tsolika iraisam-pirenena amin’izay mba afaka miteny hoe mifanaraka amin’izany ny eto amintsika. Ny toky fitaka fa ny atao no hita, ary ny manantena tsy misy ny sarotra fa ny mamoy mora foana. Sarotra ny hino fa tena ho taom-piotazana ho an’i Madagasikara ity 2016 ity, raha izao zava-misy izao no jerena.

 

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre