Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Lisea Jules Ferry – Vita ny fanarenana ny sekoly

30 taona tsy nisy fanamboarana. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Faravohitra, ny fahavitan’ny fanarenana ny trano roa lehibe, eny amin’ny Lisea Jules Ferry annexe (Ljf). Efi-trano miisa 36 no voamboatra tanteraka ka anisan’izany ny trano fivoahana. Naverina ihany koa ny jiro izay nampijaly ireo mpianatra sy mpampianatra tao hatramin’izay noho ny fahamaizinana rehefa mianatra. Tsy vitan’ny maizina hatrany fa mbola maloto sady mainty ihany koa ireo efi-trano ka mampahalaina ireo ankizy hianatra. Araka ny filazan’ny Rabenary Prisqualine, provizera ny Ljf moa dia efa nomen’ireo mpianatra  anarana mihitsy ireo efi-trano ireo ka lazain’izy ireo fa « tranom-paty ». Fa amin’izao fahavitan’ireo trano fianarana ireo dia efa lasa fameloman’aina indray izany satria hazoto hianatra ireo mpianatra ary tahaka izany ihany koa ny mpampianatra ka iriana ny hisian’ny vokatra tsara.

« Efa ampolon-taonany maro izahay no nangataka ny fanarenana ny sekoly fa izao vao nivaly. Satria hatramin’ny nisian’io Ljf annexe io efa 30 taona izay dia tsy mbola nisy mihitsy ny fanarenana azy. Fa rehefa niantso ireo maintimolaly sy ny ministera ny Fanambeazam-pirenena izahay dia tonga izy ireo nanampy tamin’ny fanamboarana ny sekoly dia izao vita soamantsara izao », hoy  ramatoa provizera ny Lisea Jules Ferry.

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre