Vous êtes ici :

Samedi 27 Avril 2024

ombre

Jean-Max Rakotomamonjy – Nahazo 4×4 V8 vaovao vao naterina omaly hariva

Inoana fa hafaliana tsy omby tratra ny an’ny filohan’ny antenimieram-pirenena satria araky ny loharanom-baovao dia nahazo fiara raitra vaovao izy. Mazava ho azy fa fiara tsy mataho-dàlana izy ity ka mitondra ny marika Toyota ary miloka fotsy. Irony V8 irony ihany koa, izany hoe sady raitra no tsy azo afenina, no ihany koa manaraka ny teknolojia avo lenta ary haingam-pandeha. Raha ny fantatra ihany koa, omaly folakandro no nanaterana azy tany amin’ingahy Jean-Max Rakotomamonjy ary ireo mpanaraka ny vaovao dia efa nieritreritra sahady fa tsy maintsy hisy ny fisotrosotroana “be vata” hanamarihana izany fotoan-dehibe izany. Manodidina ny 1,2 ka hatramin’y 1,8 miliara iraimbilanja no vidin’itony fiara itony ka raha toa ka io andrim-panjakana io no nandoa ny lany dia afaka mandry ivoho ny vato ny Malagasy miaina amin’ny latsaky ny roa dolara isan’andro fa mihoatra lavitra no izany ny sora-bola voapetraka fa nividianana azy. Satria tokoa mantsy tsy mbola maka ny anjaran’ny antanan-tohatra maro samihafa ao amin’ny fanjakana, io izany ilay atao hoe “commission”! Araka izany dia kely ny finoana fa handresy azy ireto biraon’ny antokony Leader Fanilo satria izy aza vao namoaka V8, hoy ny vazivazin’ny rehetra. Etsy ankilany dia be koa ny mpanatsafa milaza fa io no “cadeau” farany azony satria efa vonona hatramin’ny farany ireo mpanozongozona ny sezan’ny birao maharitra ao amin’ny antenimieram-pirenena fa tsy maintsy miala hono ingahy io! Fa ny mpanadroadro ihany koa no milaza fa mety tsara amin’ny habeny kosa aloha ilay fiara.

J.L.R

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre