Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Fanafihana mitam-basy – Olona iray maty, iray hafa naratra mafy

Tanàna kely iray sahabo ho 3 kilometatra miala an’Ambohitsilaozana Alaotra no notafihan’ny andian-jiolahy mitam-basy ny asabotsy 06 febroary alina lasa teo.Ny nahavariana ireo mponina tao an-toerana tamin’izany dia tsy nisy nokitihan’ireo mpanafika ny omby tao am-bala, izay maromaro ihany raha ny tao amin’ity tanàna ity, saingy trano fivarotana iray no lasibatra tamin’izany.Vola roa alina ariary niampy fahitalavitra iray no lasan’ireo jiolahy izay nampiasa basim-borona nitifirana ireo olona roa tao an-trano.Ilay iray voalohany dia somary lavidavitra no notifirana azy, naratra mafy kanefa mbola avotra soamantsara ihany ny ainy.Ilay faharoa kosa araka ny fitantaran’ireo mponina ihany dia tifitra akaiky ka voa mafy.Mbola nanana fotoana tokony nitondrana ity farany tany amin’ny tobim-pahasalamana ihany ny fokonolona saingy natahotra mafy sao mbola ao an-tanàna ireo jiolahy ka tsy sahy nikofoka raha tsy niandry ela ihany.Efa be loatra ny ra very ka niafara tamin’ny fahafatesan’ilay voatifitra.Marihina fa lehilahy avokoa ireo voa ireo.Nametra-panontaniana ireo rehetra tao an-tanàna sao misy antony hafa nahatonga izao fanafihana izao noho ny entana lasan’ireo jiolahy izay tsy misy vidiny loatra raha mitaha amin’ireo omby maro be ao an-tanàna sy ny fananana hafa.

Ange R.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre