Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Ambatondrazaka – Razana efa nihintsana no hitan’ny fokonolona

Tsy fantatra izay antony nahafaty ity rangahy iray ity tao amin’ny toerana manakaiky ny tanànan’Ambohipananina Ambatondrazaka fa razana efa nihintsana tanteraka no hitan’ny olona  sendra nandalo. Nandre fofona hafahafa  izy io araka ny filazany ka nanaraka izay niavian’izany. Gaga anefa ity mpandalo raha nahita fatin’olona izay efa taolana sisa ary notombanany ho efa noviravirain’ny alika izany. Niverina tany an-tanàna ilay olona avy eo nampandre ny tompon’andraikitra avy eny anivon’ny fokontany. Ity farany indray avy eo no nampilaza ny zandarimariam-pirenena ao Ambatondrazaka ka niara-nirohitra nidina ifotony nijery ny toe-draharaha tany an-toerana ny alatsinainy 08 febroary lasa teo izy rehetra nanao ny fizahana ny razana. Ahiana ho nisy namono ity lehilahy ity fa mbola tsy fantatra ny nahavanon-doza. Mbola tsy misy olona ahiana ihany koa mikasika ity vono olona ity. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao ary andrasan’ny rehetra, indrindra fa ny mponina ao an-toerana izay mihorohoro fatratra taorian’izao zava-mitranga izao.

Ange R.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre