Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Amboasary-Atsimo – Niova fo indray re ny dahalo e !

Nireharehan’ny fitondrana fatratra tamin’ny 2014 ny fiovam-pon’ireo dahalo. Vola mitentina 22 miliara ariary no nentina nandresena lahatra ireo namono olona sy nandroba ny tanàna mba hiverina eo anivon’ny fiaraha-monina hono. Mbola noterena aza ny mponina handray azy ireo ary hamela ny helony. Niteraka resa-be ny fanapahan-kevitry ny mpitondra satria naleony nanampy ireo nanao heloka teo amin’ ny fiaraha-monina toy izay ny tsy an’asa sy sahirana. Aiza anefa izao ireo dahalo an’arivony lazaina fa niova fo sy hanampy ny mpiara-belona hiady amin’ny tsy fandriampahalemana? Ireo izay notambazana vola be, nomena anton’asa, ireo niara-nandihy tamin’ny mpitondra satria voadio?

Tsy naharitra ny fiovam-po, dila ny herintaona dia niverina amin’ny fanaony ireo dahalo lazaina fa niova fo. Ny alatsinainy maraina teo, andian-jiolahy miisa 40 mahery nirongo fiadina mahery vaika no nanafika tao amin’ny fokontany Antsarike, kaominina Marotsiraky. Tompon’omby 8 no maty ary maro no naratra nandritra ny fifandonana izay naharitra adiny 6 ora mahery. Omby manodidina ny 100 no lasan’ireo malaso tamin’izany. Niady irery ireo fokonolona satria tsy nahatohatra ny fitaovam-piadiana nentin’ireo jiolahy. Dahalo niova fo hanampy ny fiaraha-monina no nantenaina hay samy manana ny niovany fo. Tsy naharitra ny mena miraviravy ireo nolazaina fa efa hendry ka nandripaka indray ireo izay efa nanindry fo sy nandray azy ho toy ny mpiara-belona rehetra vonona hihary sy hitondra fandrosoana ho an’ny firenena. Miampy indray ny tsy fahombiazan’ny mpitondra.

Ralambomamy/ Njara Fih

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre