Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Afenina sisa ny fahantrana !

Noraofin’ny minisiteran’ny Mponina ireo mpatory ao an-dalana nanomboka ny sabotsy alina lasa teo. Afindra toerana izy ireo noho ny antony maro. Raha ny fanazavana ofisialy dia ho fitsonjovana ny maha-olona no nanaovana izany. Raha ny hitan’ny vahoaka kosa anefa dia tafiditra amin’ny fanomanana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia izay atao eto Madagsikara amin’ny volana novambra ho avy izao ity hetsika ity. Efa manomboka mitily sy mamantatatra ny zava-misy eto Madagasikara mantsy ireo mpandray anjara ka mahina ny mpitondra sao ho fantatr’izao tontolo izao ny zava-misy marina misy eto amintsika. Taratry ny fahantrana sy ny tsy fahombiazan’ny fitondram-panjakana ny hamaroan’ny olona voatery matory an-tsena satria tsy misy trano hisitrihana. Lasa henatra ho an’ny mpitondra izay milaza azy ho mahavita ireny malagasy fadiranovana ireny ka raofina sy afindra toerana mba tsy hisy hahita. Efa ho roa taona mantsy izao no nisian’izao fitondrana izao nefa tampotampoka eo vao hoe esorina ireo mpatory an-dalana eto an-drenivohitra. Raha ny tokony ho izy rahateo dia anisan’ny tompon’andraikitra amin’ireny vahoaka madinika ireny ny eo anivoan’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra nefa to tsy mba nampidirina firy tamin’ity hetsika ity. Ankilazan’izany dia mihetsika mafy ihany koa ny minisitera isanisany amin’izao fotoana mampiparitaka ny resaka mahakasika ny mety hisian’ny fanovana mpikambana eo anivon’ny governemanta izao. Manao izay ho afany toy ny departemanta hafa ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina mba ho hitan’ny filoha fa miasa tsara sy mahazo vokatra ary tena mbola ilaina amin’izao fikarakarana ny frankofonia izao. Na sanatria aza ka tsy voatana fa ho voailika ao anaty Governemanta dia mba afaka miteny avy eo hoe nahavita nanala ireo mpatory tany ambany tonelina sy tany ambany tetezana.

Mahagaga ny eto amin’ity firenena ity fa toa misy kajikajy izany avokoa ny asa ataon’ireo tompon’andraikitra ambony. Rehefa may ny endim-boanjo izay ireo manam-pahefana vao mody mihetsika sy manao asa mivantana ho an’ny vahoaka. Mipetraka ihany mantsy ny fanontaniana hoe haharitra hatrami’nny rahoviana ny hetsika fanesorana sy fandraisana an-tanana ireo mpatory an-tsena ? Sa ve vonjy tavan’andro natao hisehosehona toy ny mahazatra fotsiny ihany ?

Rehefa tena dinihina mantsy dia tsy hita mihitsy hatreto izay tena paik’ady matotra sy asa misongadina amin’ny fampandrosoana ny firenena fa saika mifantoka any amin’ny ady hevitra tsy ihinanan-kanina avokoa ny resaka rehetra. Lazaina fa laharam-pahamehana ny frankofonia, nefa na foto-drafitr’asa iray aza tsy hita natsangana 10 volana latsaka mialohan’ilay fivoriam-be. Toa ny efa teo ihany no amborimboarina  ka anisan’izany ny trano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato, ny hotely kintana dimy, ireo trano fandraisam-bahiny, ary ny hoiptaly manara-penitra eny Andohatapenaka. Ankoatra ireo dia manomboka ailika sy esorina hiala amin’ny toerana mety andalovan’ny vahiny ireo malagasy mafy ady satria miteraka henatra ho an’ny mpitondra. Enjehina tsy mahazo manao ny asany ao am-povoan-tanàna ireo mpivarotra mpandehandeha, ilana vaniny ary ampandoavina vola be mba hiala sy tsy mahazo mijanona an-drenivohitra ireo fiaran’ny olon-tsotra. Noraofina ireo mpatory an-tsena amin’ny alina, arodana ireo trano lazaina fa tsy manara-dalàna sy ratsiratsy, …lava ny lisitra fa mitovy hatrany ny dikany ho an’ny vahoaka : tsy vitan’ny mpitondra ny manala ny fahantrana dia ezahina afenina fotsiny sisa. Manoloana izany rehetra izanydia tsy misy mahazo maneho hevitra an-dalambe fa tonga dia fisamborana sy fanagadrana no miandry. Famoretana toy izany hatrany no heverin’ny manam-pahefana fa hitondra fampandrosoana eto Madagasikara. Raha mahay ry zareo dia mamorona asa mahavelona ho an’ny vahoaka amin’izay fotoana izay tsy hisy instony ny mpatory an-dalana sy ny mpivarotra amoron-dalàna ary ny olona tsy manan-katao hanao fitokonana esty sy eroa.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre