Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Faran’ny herinandro hafampana

Atahorana hangotraka ity faran’ny herinandro ity raha ny raharaham-pirenena no jerena satria toa mitarika any amin’ny hisian’ny fifandonana sy ny korontana avokoa ny zava-mitranga rehetra. Tsy mandà izany rahateo ny mpitandro filaminana ary nilaza mihitsy ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny tafika fa tsy mandà ny mety hisian’ny fikononkononana fitondram-panjakana. Nambarany tamin’izany fa hifampidinika ny polisy sy ny zandary ary miaramila, mba handraisana fepetra hiatrehana ny mety hisian’izany fanonganana izany. Nilaza ihany koa ny tompon’andraikitry ny Emmoreg eto Antananarivo fa tsy azo atao ambanin-javatra velively ny tsaho miely mikasika ny mety hisian’ny asa fanakorontanana eto an-drenivohitra. Tsy maintsy miomana ny mpitandro filaminana hoy izy manoloana ny mety hisian’ny mpanararaotra hitarika savorovoro mandritra ny hetsika ataoann’y sendikan’ny mpiasa rahampitso voalohan’ny volana may andro iraisam-pirenena hankalazana ny zon’ny mpiasa.

Ny tranga misy dia mampiseho mibaribary fa tena betsaka ny risika hisian’ny fifandonana. Tsy nomen’ny tompon’adraiki-panjakana hanao hetsika eo Ambohijatovo mantsy ny sendikan’ny mpiasa fa noteren’izy ireo ho eny alarobia. An’arivony maro, mba tsy hitenenana hoe an’aliny ny mpiasa no tsy manaiky io famindran-toerana ny hetsika hataon’izy ireo io. Izany hoe hikiribiby hanao fivoriana eny Ambohijatovo ihany izy ireo rahampitso. Eo no mety hitarika ny fifandonana satria hentitra ny mpitandro filaminana nilaza fa handray andraikitra. Izany hoe ho ravana ny hetsiky ny mpiasa eo Ambohijatovo. Dia ho sahin’ny Emmoreg ve ny hitifitra baomba mandatsa-dranomaso, sy hampiasa hery amin’ny sendika rahampitso izay andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpiasa ? Izany hoe tena andro natokan’ny firenena mikambana hanaovan’ny mpiasa fitakian-jo ? Zava-doza raha izany no mitranga satria mety ho pitik’afo hampirehitra ny vanja hitarika fipoahana sosialy mahery vaika eto Madagasikara ny fampiasan-kery amin’ny mpiasa. Iaraha-mahita rahateo fa efa maro be ireo sendika sy fikambanana ary kaoperativa no tsy faly amin’izao fitondram-panjakana mijoro izao. Ambonin’izany ny fahasorenam-bahoaka vokatry ny delestazy, sy fahatapahan-drano, ary fahantrana sy fanaparam-pahefana. Izany rehetra izany dia manomboka mitambatambatra, nefa ny vanim-potoana politika toy izao dia tsy azo afenina fa tena mamaivay satria ankatoky ny fitsingerenan’ny tolom-bahoaka tamin’ny 13 mey 1972 izay niaraha-nahalala fa manan-tantara tamin’ny fanonganana ny mpitondra tamin’ny repoblika voalohany. Mila mitandrina ny mpitondra Fanjakana ary manao izay fara-heriny hisorohana ny mety hisian’ny savorovoro satria sarotra ny hifehy izany. Zavatra iray ihany no angatahin’ny mpiasa sy ny vahoaka dia ny fahalalahana hiteny. Rehefa nangataka an’Ambohijatovo izy ireo dia tokony havela halalaka hanao izany satria toerana mifefy io ary anjaran’ny mpitandro filaminana kosa no mandray andraikitra ho an’izay mikasa hanao fihoaram-pefy. Sarotra anefa ny toe-draharaha satria iaraha-mahatsiaro ny zava-nitranga teo Ambohijatovo tamin’ny 17 janoary 2010 izay nanombohan’ny fanonganana ny fitondrana tamin’izany. Tao Ambohijatovo no natao ny fivoriana ka rehefa nitombo ny olona dia lasa nivoaka sy nirohotra nankeny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Matahotra ny hiverenan’izany ny mpitandro filaminana satria sarotra ny mifehy sy mandrava vahoaka maro eo anelanelan’Ambohijatovo sy Analakely. Zavatra roa no tsy maintsy hitranga dia ireto : raha mampiasa hery ny mpitandro filaminana dia hisy ny fifandonana mahery vaika amin’ireo mpanao fhetsiketsehana ka ho maro ny haratra sy aina hafoy ary fahasimban-javatra. Raha hitazam-potsiny kosa ny Emmoreg dia ho tonga eo amin’ny kianjan’ny 13 mey ny mpanao fihetsiketsehana ary midika ho fanombohan’ny fandrodanana ny fitondrana izany. Hafampana ity faran’ny herinandro ity koa mila tony sy mitandrina ny vahoaka rehetra mba tsy hisian’ny savorovoro sy ny korontana. Raha izao efa fahantrana mangitsokitsoka izao mantsy no mbola hiady an-trano eto dia vao mainka i Madagasikara hilentika tanteraka any amin’ny fahasimbana ary tsy hotafarina intsony. Ny hendry ihany, hono no anarina koa atsipy ny tady an-tandroky ny omby ary atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala : Aleo hilamina ihany e !

 

Ravalo tsy Manana

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre