Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Mahitsy – Mpianatra 7 maty navadiky ny Sprinter

Niraradraraka ny faty olona, omaly zoma, vokatry ny hetraketr’ireo mpamily taksibe. Ankoatra ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona, teny amin’ny lalana digy, omaly maraina vao mangiran-dratsy dia mpianatra miisa 9 ihany koa no maty navadiky ny fiara marika Sprinter Mercedes, tany Mahitsy, eo Andohamasina, omaly hariva tamin’ny 5ora sy sasany tany ho any. Mpianatra avy nitsangatsangana, tany Andranovelona handeha hamonjy fodiana aty Antananarivo ity niharan-doza ity noho ny fifanenjehana teo amin’ireo fiara nitondra azy ireo.

Tsy nahatana ny familiana intsony ilay mpamily  satria nandeha mafy loatra ka niafara tamin’ny fivadihana tany anaty hantsana be, izay mirefy 10 metatra any ho any. Vokany, ankizy efatra no namoy ny ainy teo no ho eo ary naratra mafy avokoa ny ambiny. Rehefa tonga tany amin’ny hopitaly kosa indray dia tsy tana intsony ny ain’ireo miisa 5 ka nahatratra 9 izy ireo no nindaosin’ny fahafatesana hatreto.

Ilàna fandraisana fepetra hentitra ny tsy fitandremana ataon’ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka ireo fa ny olona tsy manan-tsiny hatrany no lasibatra. Tsikaritra mantsy fa vao najonana ny fanaraha-maso ataon’ireo mpitandro filaminana misahana ny fifamoivoizana dia  baranahiny tanteraka ireo mpitatitra ka tsy mahalala intsony ny tokony hataony. Tao anatin’ny iray andro fotsiny dia olona am-polony mahery no namoy ny ainy, noho ny afitsok’ireo mpamily hatrany.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre