Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Marie stopes Madagascar – Tobim-pahasalamana faha-20 eny Andohanimandroseza

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly 29 aprily, teny Andohanimandroseza, ny tobim-pahasalamana faha-20 an’ny Marie stopes Madagascar (Msm) izay manatevina ireo efa misy manerana ny Nosy. Fahadimy izy raha ho an’ny eto an-drenivohitra. Natsangana eny an-toerana ity tobim-pahasalamana vaovao ity ho fanakaikaizana ny mponina, noho ny fahamaroan’ny olona mipetraka amin’iny faritra iny. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpianatra mandranto fianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Mampiavaka ity Msm vaovao ity amin’ireo rehetra efa misy, ny fisian’ny toerana antsoina hoe “ampela soa”. Toerana iray natokana ho an’ny tanora amin’ny fanomezana toro lalana mahakasika ny fahasalamana. Misy ao koa ny “espace beauté”. Ity tobim-pasalamana vaovao ity izay toby voalohany mitondra ny lokon’ny Msm vaovao, izay napetraky ny any Londres.

“Toy ny efa fahafantaran’ny olona ny Msm hatramin’izay dia hisy hatrany ny fandraisana ny reny sy ny zaza. Tafiditra amin’izany ny lafiny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, mitondra anjara adidy amin’ny fanomezana tolotra manerana ny Nosy ary mameno ny asan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka satria ny Msm manampy amin’ny fanabeazana aizana maharitra”, hoy Tovo Ranaivomino, tale ara-barotry ny Marie stopes Madagascar.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre