Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Mpanao gazety tsy mandositra adidy !

Ankalazaina anio ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety koa miarahaba ireo namana rehetra eto amin’ity sehatr’asa ity. Eto Madagasikara manoka ny fanaovan-gazety dia mihoatra lavitra ny antsoina hoe asa satria efa tena fiainana sy mikoriana ao anatin’ny ra mihitsy. Fianakaviam-be iray ny mpanao gazety malagasy ary tsymifankafoy na amin’ny tsara na amin’ny ratsy. Na fahoriana na fifaliana fa dia mifanohana sy mifanjohy eny hatrany. Tena fiainana sy fanoloran-tena no anaovan’ny mpanao gazety ny asany na dia tsy mora aza ity asa ity fa mila fanetren-tena sy fampandeferana zavatra maro izay manan-danja eo amin’ny fiainana. Tsy maintsy mandefitra ny tokantrano, ny fianakaviana, eny hatramin’ny any am-piangonana aza rehefa misy asa atao satria ny fikatsaham-baovao ho an’ny vahoaka no laharam-pahamehana. Betsaka ny olona efa nandalo teto amin’ny asa fanaovan-gazety saingy tsy nahavita nizaka ny fepetra takian’ity asa ity ka nifindra lasy amin’ny sehatr’asa hafa izay be karama sy milamindamina kokoa. Na izy ireny aza anefa dia mbola mitonona sy mihevi-tena ho mpanao gazety hatrany ary tsy manadino ny fiainana nolalovany tamin’izy nanao gazety taloha.

Tsy mandositra adidy ny mpanao gazety fa na andro na alina, na rotaka na fifampitifirana, na rivo-doza sy tondra-drano dia iny hita eny foana manatanteraka ny asany. Tsy afenina fa tena mafy ity asa ity ho an’ireo tsy natokana hanao azy ka izay no mampandositra ny ankamaroan’ireo tanora mpiana-draharaha na ihany koa ireo nahazo traikefa kely ka lasa nahita asa hafa, be karama any an-kafa. Ho an’ny tena mpanao gazety anefa dia tsy ny karama sy ny tombontsoa no zava-dehibe fa ny fahamasinan’ilay asa. Am-pifaliana sy am-panetren-tena hatrany ny fiatrehana ireo fepetra heverin’ny sasany ho mafy amin’ity asa ity. Miasa alina sy andro fety, mahazo fandrahonana sy fanarabiana etsy sy eroa, …ao anatin’ny asa avokoa izany ary tena fahafinaretana ho an’ny ekipa ny mandre azy.

Tena manolo-tena mihitsy ny mpanao gazety malagasy amin’ity asa ity na dia eo aza ireo loza telo manambana isan-tsengodra dia ny hoe : ny tongotra havanana any am-ponja, ny tongatra havia any am-pasana ary ny antsasaky ny vatana efa voaroakan’ny mpampiasa. Isaka ny mamoaka vaovao iray dia ireo telo ireo no mitambesatra amin’ny mpanao gazety malagasy. Mbola maro mantsy ireo tsy mahazaka ny marina eto Madagasikara ka manome tsiny ny mpanao gazety izay sahy mitatitra izany. Teto amin’ny Madagascar Matin manokana izao dia efa nogadrain’ny fitondram-panjakana ny tompon’andraikitra roa voalohany teto amin’ny gazety satria sahy nitatitra vaovao mikasika ny nahavoarohirohy mpitondra ambony tamin’ny resaka fanondranana andramena. Saika isan-kerinandro dia misy tompon’andraikitra ambony manao fandrahonana foana ny mpiara-miasa ato. Anisan’ny efa nanao izany ny mpitandro filaminana, ny mpitsara, ny fiadidiana ny Repoblika, ny fiadidiana ny primatiora teo aloha sy ireo minisitera isan-tsokajiny. Tena fampihorohoroana ara-moraly no mitranga nefa vaovao no taterina. Na izany aza raisina am-pifaliana sy am-pitoniana ny zava-mitranga satria hazo avo halan-drivotra. Raha hangina ny mpanao gazety dia iza intsony no hitatitra ny zava-misy marina eto amin’ny firenena ?

Tsy hiadian-kevitra intsony mantsy ankehitriny fa ny mpanao gazety sisa no sahy miteny sy mitatitra ny hetahetam-bahoaka satria efa voarara ny fanaovana hetsika an-dalam-be eto Madagasikara. Ny fitaterana ny zava-misy na tsara na ratsy rahateo dia tsy midika ho fitongilanana atsy na aroa na dia misy aza ireo mahatsapa tena ho voatohintohina. Tsy natao hanenjehana olona manokana mihitsy ny asa fanaovan-gazety fa matoa misy tsy mahazaka ny vaovao navoaka dia nanao ratsy izy ka mahatsapa tena. Sarobabay ka izay voa aza tezitra !

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre