Vous êtes ici :

Vendredi 26 Avril 2024

ombre

Filana andavanandro – Tsy mitsahatra mitotongana ny vidim-piainana

Miakatra avokoa ny vidin-javatra, ankehitriny. Ireo sahirana ara-pivelomana no tena voa mafy satria tsapa ho misy fiantraikany avy hatrany amin’ny fiainana ao an-tokantrano izany. Tena hita mihitsy ny elanelana misy eo amin’ny mpitondra sy ny entina. Ireo mpanao politika mahatsiaro ho miadana manana ny ambim-bava hotehirizina ka mifantoka amin’ny fiarovana toerana toa tsy miraharaha ny mdinika satria mahatsiaro ho voky hatrany. Ny madinika kosa nefa etsy an-kilany mitrongy vao homana ary izay hohanina anio tadiavina anio.

Maivan-danja ny vola malagasy

Tsy nitsahatra nitotongana ny fiainan’ny vahoaka malagasy nanomboka tamin’ny taona 2009. Tsapa ho mandeha ila izany satria ny vidim-piainana no miakatra fa ny vola miditra na ny karama ho an’ny isan-tokantrano mihena. Tokony hifanindra an-dalana anefa ireo. Tsy izany ihany anefa fa mitotongana koa ny sandam-bola Malagasy; ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra toy izay efa hita hatramin’izay ary azo lazaina ho anisan’ny anton’ny fihenan’ny vola miditra. Mitana ny laharana voalohany amin’izany ny fiakaram-bidin’ireo filana andavanandro na ny “produits de première nécessité (ppn)”. Eo amin’ny 10 isan-jato eo amin’ny ankapobeny no fiakatr’izy io ary ireo sahirana ara-pivelomana no tena voa mafy satria tsy misy setriny azony andrandraina amin’izany fiakatry ny vidim-piainana izany.

Indray mandeha mihinam-bary

Tena tafalatsaka ao anaty fahantrana ny vahoaka malagasy. Raha ireo olona vitsivitsy tafahaona taminay izay nanaovana fanadihadiana dia mitaraina avokoa amin’ny fisondrotan’izay vidim-piainana izay. Raha in-telo isan’andro izy ireo no mihinam-bary tany aloha dia izao efa indray mandeha ihany satria tsy maharaka intsony ny vola miditra.

Raha mitondra vola roa arivo ariary izahay taloha mandeha miantsena dia ampy anay telo mianaka tsara izany, nefa tafiditra ao avokoa ny vary, saribao sns. Amin’izao fotoana izao kosa tsy maintsy ampiana efajato ilay vola roarivo vao mahampy anay. Marihiko anefa fa atao vary sosoa izany fa raha tsy izany dia indray mandeha ihany izahay no mihinam-bary ao anatin’ny iray andro”, hoy ny raim-pianakaviana, monina eny Itaosy.

« Hihazakazahantsika ny sosialim-bahoaka sy ny toekarena », hoy ny filoha

Betsaka ny tokony hatao amin’ny sosialim-bahoaka, hoy ny fitondram-panjakana. « Hanamarika ity taona ity ny hihazakazahantsika amin’ny sosialim-bahoaka ary indrindra ny toekarena », hoy ny filoha Rajaonarimampianina Hery, teny Iavoloha, ny volana janoary 2016 lasa teo. Telo volana sy tapany aty aoriana anefa tsy mbola hita ny fiantraikan’izany amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina, fa ireo mpanao politika mpitady toerana no mahazo vahana ary voky hatrany. Ankoatra ny karama be raisiny isam-bolana ary mbola iantohana avokoa ny fandaniany rehetra raha mifanohitra tanteraka amin’izany ny an’ny valalabemandry satria ny ho hanina anio tadiavina anio. Aoka anefa tsy hohadinoana fa ny vahoaka no tena mpandoa hetra izay mivadika ho karaman’izy ireo.

Mba misy mihaino ve ?

Araka ny fanambaran’ny fikambanana nasionaly miaro ny zon’ny mpanjifa na Rndc, volana vitsivitsy lasa izay dia ny fanjakana foibe mihitsy no tondroiny ho tompomarika mamboly ny fiakaran’ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao. Raha zohina akaiky anefa izany dia mitombina ihany satria tsy misy mihaino sy mitondra vahaolana amin’io fitotonganan’ny fari-piainan’ny Malagasy io ireo mpitondra nifandimby teto Madagasikara, fa vao maika aza mampitombo ny fandaniany eo amin’ny fiainany, ny fianakaviany ary ny manodidina azy.

Homen-danja ny vola Malagasy

Tokony hojeren’ny fitondrana akaiky ity fiakaran’ny vidim-piainana sy fiantraikan’ny sondrom-bidy ity ka ny fandraisana fepetra amin’ny famerana ny tahan’ny fifanakalozana ny vola Malagasy hanatsara ny fahefa-mividin’ny olona hampisy fiantraikany amin’ny isan-tokantrano no heveriny, fa zava-dehibe. Tokony hisy ady Gasy, noho izany, hametrahana ny fomba fitantanana mety hifanaraka amin’ny filan’ny samy mpanjifa, ka tsy misy afa-tsy ny fanaovana latabatra boribory eo amin’ny mpitondra sy ny fiaraha-monim-pirenena. Amin’izay fotoana izay dia hinoana fa tsy ny vidim-piainana ihany no hihena fa azo antoka koa ny hiakaran’ny fahafaha-mividin’ny vahoaka satria hampiakatra ny toekarem-pirenena ireo, izay fototry ny fanatsarana ny sosialy, dia ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana mbamin’ny resaka asa.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre