Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Sakisarotra Miandrivazo – Vazaha iray mibodo tany 317 hektara

Raikitra ny adin-tany eo amin’ny mponina ao amin’ny fokontany Sakisarotra, kaominina Manandaza, any amin’ny distrikan’i Miandrivazo. Tsy vao izao anefa fa efa hatramin’ny taona 2006 no vaky ny ady teo amin’ny roa tonta satria tany mirefy 317 hektara no bodoan’ilay vazaha ho azy irery nefa ireo mponina no efa nanajary ny tany hatramin’izay. Araka ny fanambaran’ireo solontenan’ny mponina avy any an-toerana, ka isan’izany ny ben’ny tanàna teo aloha Ialy, izay nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly hariva, teny amin’ny Mon gouter dia efa nisy ny fitarainana natao ary nahazoan’izy ireo alalana tamin’ny sefo distrika sy filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ny fampiasana ny tany ny taona 2012 satria fianakaviana tsy latsaka ny 3 arivo no mivelona amin’izany tany izany amin’ny alalan’ny fambolena.

Namoaka “arrêté” 023/dist/Mzo/Bom mihitsy ny distrika ny 21 novambra 2012 ka ny andininy faha-5 amin’izany no manome alalana ireo mponina hampiasa izany tany izany. Tsy mbola misy ny fanafoanana io “arrêté” io hatramin’izao nefa misy taratasy hafa navoakan’ilay vazaha milaza fa azy ny tany ary efa “titré” aminy ka miverina indray ny fandroahana.

Araka ny voalazan’ny ben’ny tanàna teo aloha Ialy dia nangalatra ny soniany ilay vazaha nahazoany io “titre” io tany amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany satria tsy misy tombokase ny kaominina. Ny mahagaga koa anefa dia tany amin’ny sampan-draharaha vakinakaratra no nanome io fahazoana “titre” io ka nahiana ny nisian’ny kolikoly avo lenta. Manaitra ny fitondram-panjakana izy ireo manoloana ny kabary nataon’ny filoham-pirenena tany Miandrivazo manao hoe “ Izay tany nohajarian’ny vahoaka tsy azo kitihina.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre