Vous êtes ici :

Vendredi 29 Mars 2024

ombre

Antsiranana – Tovolahy maty novonoin’ny foroche, ny sipany kosa naolana

Tovolahy iray 25 taona, indray no namoy ny ainy, noho ny hetraketrak’ireo andian-jatovo any Antsiranana. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy dia nidiran’ ireo foroche an-keriny ny trano fonenany. Izy sy ny tovovavy iray mifankatia aminy no tao an-toerana tamin’ny fotoana nisehoan’ny fanafihana. Tsy vitan’ny nandroba ny fananan’izy ireo fotsiny anefa ireo olon-dratsy fa mbola naolana teo anatrehany ihany koa ilay tovovavy. Tsy nahazaka izany ity farany ka nanohitra ireo andian-jatovo maro be saingy tratran’ny be no vitsy ka tsy nahatohitra azy ireo. Araka ny fampitam-baovao dia nokapohana tamin’ny hazo be ny lohany ka naratra mafy. Nentina nihazo ny hopitaly izy roa ireo saingy tsy tana intsony ny ain’ilay tovolahy rehefa nipaika ny tamin’ny 4ora maraina. Ilay tovovavy kosa mbola manaraka fitsaboana. Mizarazara ihany anefa ny fanambaran’ny loharanom-baovao avy any an-toerana satria misy ny milaza fa tsy foroche ireo nanao ity fihetsika feno habibiana ity fa jiolahy fotsiny. Mbola nohamafisiny hatrany fa tsy niharan’ny fanolanana ilay tovovavy fa tafatsoaka rehefa nitranga ny fanafihana ary tsy manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly velively. Na izany na tsy izany anefa dia ranomaso sy kiakiaka no nandraisan’ireo mpianatra ny oniversite any Antsiranana ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy omaly. Ity farany izay mamarana ny fianarany ao amin’ny fakiolte ny siansa any an-toerana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre