Vous êtes ici :

Jeudi 18 Avril 2024

ombre

Vao mainka mandrehitra afo ny mpitondra!

Mampitombo ny fahasorenan’ny vahoaka amin’ny mpitondra Fanjakana ankehitriny ny fiverenan’ny delestazy indray. Tsy fantatra intsony na zavatra iniana atao handrangitana ny vahoaka na tena tsy fahombiazana tsotra izao fa tapaka mandritra ny ora maro ny jiro amin’ny faritra maro nefa tsy misy fampandrenesana. Dia mbola ho sahin’ny fitondram-panjakana sy ny tompon’andraikitry ny Jirama ihany ve ny hilaza fa fahatapahana madinika no misy? Ny zava-mitranga rehetra aloha hatreto dia tsy mampiseho taratra ny finiavana hiroso any amin’ny fitoniana politika sy ny asa fampandrosoana fa vao mainka manao izay hahasorena ny vahoaka. Miverina ny delestazy, mihamafy ny tsy fandriam-pahalemana, misondrotra ny vidim-piainana ary tsy hita soritra izay vokatry ny ady amin’ny kolikoly.

Tsy fantatra intsony na misy manao fanahy iniana manao izay hampandringa ny asa fampandrosoana ao anaty fitondram-panjakana ao na ny filoha mihitsy no tsy mahomby. Mifanipaka hatrany mantsy ny fampanantenana ataon’ny filoha sy ny asa ataon’ireo olona notinendriny. Toa lasan-ko vavany fotsiny ny fampanantenana fa ny mifanohitra amin’izay noresahina no mitranga. Tsy mahagaga raha hararaotin’ireo mitady hampianjera ny fitondrana entina hanentanana olona hikomy ny zavamisy. Efa iaraha-mahalala izao fa niteraka fiokoana tetsy sy teroa ny fahatapahan-jiro dia io fa niverina indray izany amin’izao fotoana mampamaivay ny raharaham-pirenena izao. Toy ny hoe misy manao fanahy iniana mihitsy mba hitroatra ny vahoaka. Zavatra ihany no tsy maintsy misy dia ireto avy: Na ny fitondram-panjakana sy ny rafitra napetraka hitantana ny Jirama mihitsy no tsy mahavaha ny olan’ny delestazy, na misy migafy manao izay tsy hisian’ny vahaolana maharitra. Diso avokoa ny mpitondra ambony amin’ireo antony roa ireo satria tsy nahay nametraka lamina maty paika hanatanterahana ny fampanantenan’ny Filoha no sady tsy mahavita mifehy ireo olona nomena andraikitra.

Tsy mitady fitoniana fa vao mainka mandrehitra afo ny zava-misy ataon’ny mpitondra. Fotoana tokony hifanantonana mba hifampidinihina sy hitadiavana hevitra miaraka hanajanonana ireo fitokonana ameobe etsy sy eroa izao nefa toa valy bontana no setrin’izany. Raikitra ny fisamborana olona voalaza fa voakarama hanakorontana, nitohy tamin’ny fisavana tranona mpitandro filaminan aizany ary nihafara tamin’ny fanetsehana ireo vahoaka madinika mba hampiakapeo sy hiantsy ady amin’izay mitaky ny zony amin’ny Fanjakana. Tena nanaitra ny maro ny teny masika miaro fihantsiana nataon’ilay fikambanana milaza ho Ambalambahoaka. Raha ny fiheverana azy mantsy dia ny vahoaka madinika avy eny ifotony mihitsy no mandrafitra ity fikambanana ity nefa dia sahin’izy ireo ny nilaza fa mahavita ny mpitondra ary tsy azo kitikitihina. Mahazaka delestazy sy fanafihan-jiolahy ary asa fanolanana sy fandoroana trano miampy fandrodanana tranon’olona angamba izy ireo. Ampy azy ihany koa ny karamany ary mihinam-be sy miliba ary mitaingina fiara 4×4 isan’andro fa tsy mba tratran’ny lozam-pifamoivoizana toy ireo mpandeha an-tongotra sy mpitaingina taxibe ka sahy miteny fa mety ny zava-misy amin’izao fotoana izao.

Mampalahelo raha ny vahoaka madinika no lalaovina ka asaina mitroatra hanakana ny mpanao fitakiana nefa samy mafiady izao ihany. Mandaiga sy mamitaka anefa ary mety ho matikambo fotsiny  izay olona sahy milaza mandroso i Madagasikara ary mahavita azy ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Ny fanadihadiana sy laharana rehetra mivoaka amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia mametraka an’i Madagasikara ho anisan’ireo firenena gisitra hatrany. Na ny mpitondra Fanjakana aza dia miaiky ireny fanadihadiana ireny ary mampiasa ny fahantran’ny firenena amin’ny fananganana antontan-taratasy fangatahana famatsiambola etsy sy eroa. Dia mahagaga anefa fa misy olona avy eny Ambalambahoaka milaza fa tena mety ny zavamisy amin’izao fotoana izao ary manenjika ireo mpiasa mitaky ny zony. Hadinon’izay olona akaiky ny fitondrana namporisika ny Ambalambahoaka hiaro azy ireo fa raha sanatria misy ny fifandonana eo amin’ny samy vahoaka tsotra dia vao maika izany hanafaingana ny mety hisian’ny krizy eto.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre