Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Tontolon’ny asa – Olana ny tsy fahamatoran’ny tanora

Manomboka mahazo aina ny orinasa eto Madagasikara taorian’ny krizy nolalovan’ny firenena. Ny tolotr’asa koa misy foana sady mbola tsy maharaka ny filan’ny tanora vita fianarana raha oharina amin’ny olona mitady asa. Eo anatrehan’izany, ny olona hanao koa tsy misy noho ny tsy fahampian’ny fiomanana. Olana goavana eto amintsika ihany koa ny kalitao omen’ireo mpampiofana arak’asa sy ny oniversite sasan-tsasany izay ambany dia ambany ka voatery mitady fikambanana toy ny Affami hiara-hiasa aminy hanome fiofanana ireo mpiasa mba hahay hifehy ny teny vahiny sy ny informatika. Mbola olana lehibe ihany koa anefa ny tsy fahamatoran’ireo tanora miditra amin’ny sehatry ny asa satria mitaky fahafahana, traikefa ary fahatokisana ireo orinasa izany ka izay antony izay no mampihena ny tsy an’asa eto Madagasikara.

Izay antony izay no nahatonga ny Mrh nanangana ny andron’ny asa sy ny fiofanana (Les journées de l’emploi et de la formation). Atrikasam-piofanana izay atao andro roa anatin’ny taona ary efa tonga amin’ny andiany faha-8 amin’izao fotoana izao. Hotanterahina amin’ny faran’ny volana may sy ny fiandohan’ny volana jona (31mai-1juin) ho avy izao eny amin’ny kianjan’ny fanantanjahantena sy ny kolontsaina eny Mahamasina. Atrik’asa natao hanampiana ireo tanora mitady asa amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra. Hatramin’izay nisian’ny andron’ny asa sy ny fiofanana izay dia 23 500 ireo nangataka asa ary 6213 ny tolotr’asa nomena. 1663 fotsiny ihany no nahita asa, noho izay tsy fananana traikefa izay, araka ny filazan’ny tale jeneralin’ny Mrh, Rafik Mohamedaly. Miisa 30 ireo mpandray anjara amin’ity andiany faha-8 ity ary mahatratra 1250 ny tolotr’asa.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre