Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Androndra – Vehivavy naratra voavely « bois rond »

Raha nangingina ny resaka famonoana olona amin’ny alalan’ny kibay misy fantsika (bois rond) tao ho ao dia hitady hahazo vahana indray izany amin’izao fotoana izao. Ramatoa iray indray no lasibatry ny lehilahy iray nilanja ity hazo ity, ny harivan’ny talata, teny Androndra. Nirava avy niasa hamonjy fodiana ity vehivavy ity no nosakanan’ny tovolahy iray tamin’io fotoana io. Norahonany hanome ny zavatra rehetra teny aminy ilay vehivavy fa raha tsy izany dia hovonoiny. Natahotra ny ho faty izy ka natolony ilay olon-dratsy avokoa ny entana teny aminy. Anisan’izany ny peratra volamena sy ny vola ary ny finday. Tsy nionona tamin’izany anefa ilay mpanendaka fa mbola novelesiny kibay misy fantsika teny an-tanany ny lasibatra. Naratra mafy ary torana tsy nahatsiaro tena vokatr’izany ity farany ka olona sendra nandalo no nahatsikaritra azy nitsirara teo amin’ny tany sy nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Fotoana maromaro nahatongavany teny amin’ny toeram-pitsaboana vao niverina ny ainy ka tamin’izany no nitantarany ny nanjo azy. Efa mandeha ny fanadihadiana.

 

Laurena Nany 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre