Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Malagasy tsy mahazo mihetsika !

Mitsoka manerana izao tontolo izao mihitsy ankehitriny ny rivotry ny fitakiam-bahoaka. Tsy ireo firenena mahantra toa an’i Madagasikara irery ihany no voakasik’izany fa na ireo azo ambara ho tena mandroso aza. Ohatra iray fotsiny ny ao Frantsa, izay firenena matanjaka tena mpifandray akaiky amin’i Madagasikara. Efa ho amam-bolana maro izao no mahazo fanakianana mivaivay ny filoham-pirenena ary tena voaompa mihitsy isaka ny fitsidihana varotra fampirantiana sy foara izay izy no mitarika ny fanokafana. Efa ho roa herinandro ihany koa izao dia miriborobo manerana an’i Frantsa ny fitokonana faobe noho ny fandavana ny lalàna mifehy ny asa vaovao izay norafetin’ny Governemanta. Andaniny ny praiminisitra frantsay dia miziriziry amin’ny heviny fa tsy maintsy tanterahana io fanavaozana io satria hitondra tombontsoa ho an’ny mpampiasa sy ny mpiasa. Ankilany anefa ny mpiasa frantsay dia tsy manaiky izany ary manao fitokonana fampikatsoana ny raharaham-pirenena. Tsy vitan’ny efa nosakanana ny fitsinjarana solika fa ho tapahin’izy ireo ihany koa ny herinaratra ato ho ato. Ambonin’izany rehetra izany dia misy hatrany ny fidinana andalam-be izay miafara amin’ny herisetra sy famotehana ary fandoroana sy fifandonana amin’ny mpitandro filaminana. Tsy mbola namoaka mihitsy ny governemanta frantsay, manoloana izany tranga rehetra izany fa voarara ny fanaovana hetsika fitakiana an-dalam-be.

Mitovy fa tsy sahala amin’izany ihany koa ny zava-mitranga any amerika any. Saika ho isan’andro no misy fihetsiketsehana fandavana ny politikan’ny fitondram-panjakana amerikanina manoloana ny lapam-panjakana “Maison blanche” nefa toa tsy voasakana ny fanaovana ny hetsika. Isan’andro ihany koa dia misy ny fifandonana sy herisetra madinidinika manohitra ilay kandida Répoblikanina Donald Trump, izay manana herijika ambony dia ambony fa ho lasa filoha amerikanina handimby an’i barack Obama amin’ny fifidianana ho avy eo. Malalaka anefa izany hetsika rehetra izany.

Tsy ao Etazonia ihany fa vao omaly no nanao hetsika goavana ny vahoaka any Venezuela ho fitakiana ny fialan’ny filoham-pirenena, izay nitarika an-davaka azy ireo satria miakatra be ny vidim-piainana ary mitontongana ny toekarem-pirenena. Tsy nosakanan’ny mpitandro filaminana anefa izany hetsika izany ary tsy namoahana taratasy fanakanana sy didy fampisamborana.

Tsy toy izany ny eto Madagasikara satria voasakana sy voarara ny fanaovana fihetsiketsehana fidinana an-dalam-be. Amin’ny lafiny iray manana ny rariny ihany ny mpitandro filaminana satria efa iaraha-mahita ny zava-misy sy ny toe-tsain’ny gasy fa vao mahazo fahafahana dia efa marobe ireo manararaotra mandroba fananan’olona sy mandrava efa manerana ny tanàna. Niaraha-nahita ary mbola tsy afaka ao an-tsain’ny maro ireny zava-nitranga tamin’ny 26 janoary 2009 ireny satria niafara tamin’ny famakiana tranom-barotra sy fifamonoana ny hetsika am-pilaminana sy diabe nataon’ny antoko mpanohitra. Samy nilaza tsy ho tompon’andraikitra avy eo satria an-daniny ny mpitondra tamin’izany nilaza fa nanome baiko ny mpitandro filaminana mba tsy handray andraikitra hanakana ny fandrobana, an-kilany ny mpanohitra nilaza fa tsy olon’izy ireo no nanao ny asa fanakorontanana. Io tranga tamin’ny janoary 2009 io no lasa fitaovana entin’ny mpitondra handrarana ny fitakiam-bahoaka ka tsy hamelana na iza na iza hanao fitakiana an-dalam-be eto Madagasikara hatramin’ny niandohan’ity Repoblika fahefatra ity. Ny kary kosa ve no nanao ny nataony dia ny saka no ho voatapa-drambo. Andian’olon-dratsy tsy fantam-piaviana no nanao fandrobana sy nandoro ny tanàna tamin’ny taona 2009 dia ny vahoaka malagasy tia filaminana no tsy omena ny zo hanao fitakiana aty amin’ny taona 2016? Tsy olona tia ady sy korontana ny malagasy ary inoana fa tsy misy olona salama saina ka maniry ny hisian’ny korontana hiteraka krizy vaovao eto indray. Mitaky ny mpitondra hihaino ny fitarainany ary hiaro azy sy hamaha ny olana eo amin’ny fiainany fotsiny ny vahoaka dia izay! Raha mamaly ny hetahetam-bahoaka ny mpitondra dia hijanona ho azy ireny fitokonana sy fitakiana marobe etsy sy eroa ireny!

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre