Vous êtes ici :

Jeudi 28 Mars 2024

ombre

Nangalatra vary akotry – Tovolahy iray maty notapahin-doha

Mba tsy hisian’ny fahasahiana ho an’ireo olon-dratsy izay mbola mitady hangalatra dia mbola manjaka hatrany ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao. Tsy fahatokisan’ireo vahoaka ny Fitsarana sy ny mpitandro filaminana dia izay sisa no heverina fa hahafay ireo mpanao ratsy sy entina hampitandremana ireo izay mbola mitady ny hanatanteraka izany. Vokany, tovolahy iray indray no maty tany amin’ny distrikan’i Manakara, ny talata lasa teo. Ity farany izay tratra nangalatra vary, tao amin’ny tanànan’i Tsararano. Ao anatin’ny fotoam-pijinjana vary tanteraka ny any an-toerana amin’izao fotoana izao nefa tsy tafakatra eny an-tanàna avokoa ny vokatra rehetra fa tsy maintsy mbola mitoby eny an-tsaha aloha ka izany no nararaotin’ilay tovolahy nangalatra. Tsikaritry ny mpiambina anefa izany ka nampandre ny fokonolona avy hatrany izy. Niara-nirohotra nidina teny an-tsaha ny iray tanàna noho izany ka na niezaka nandositra mba hanavo-tena aza ilay tovolahy dia tratra ihany.

Tsy nanaiky nentina niakatra ny tanàna anefa izy fa namaly. Tamin’izay, tezitra ny fokonolona ka raikitra ny fitsaram-bahoaka. Notapahin’ny fokonolona ny lohany rehefa tsy nahetsika intsony izy vokatry ny daroka sy vono nahazo azy.

 

L.N 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre