Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Toamasina – Polisy tratra nangalatra, niafina tao an-dakozian’ny lasibatra

Tranga iray tena nahamenatra raha ity niseho tany Toamasina ity. Ny mpitandro filaminana natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany indray ity no manao asan-jiolahy mandroba sy mamaky trano. Mpijoko voajoko io no nahazo ny polisim-pirenena iray tratran’ny fokonolona nangalatra tany Toamasina, ny alarobia alina, tamin’ny 11ora sy sasany.  Telo lahy izy ireo no nanao ny fanafihana, tao amin’ny Cité Botanique, fokontany Tsarakofafa, saingy ny roa tafatsoaka fa izy kosa taraiky teo. Araka ny fampitam-baovao voaray, henon’ny tompon-trano ny fidiran’ireo jiolahy tao ka nampandre ny manodidina tamin’ny alalan’ny fitsofana kiririoka izy ireo. Nisahotaka ny iray tanàna sady nitabataba nihazo ny trano voatafika. Raha mbola nikeninkenina ny handositra iny indrindra izy no tonga ny andrimasom-pokonolona. Tsy hitany izay haleha ka tao amin’ny an-dakozia ihany izy no niafina satria nihevitra tsy ho hitan’ny olona. Raikitra àry ny fikarohana nataon’ny fokonolona ka sarona ihany ny tenany ary nosamborina avy hatrany. Niaraka tamin’izany ny fitsaram-bahoaka. Tao ireo namely totohondry, nidaroka ary misy ny nikapoka tamin’ny hazo be. Rehefa mafy ny vono sy daroka ka tsy zakany intsony dia nilaza izy hoe : “avelanareo za fa polisy miasa ao amin’ny boriborintany faha-2 eto Toamasina”. Vao naheno izany ireo fokonolona dia natsahatra ny famonoana ary niantso ny zandary haka azy. Rehefa tonga tao an-toerana ireto mpitandro filaminana dia nanamarina fa tena polisy tokoa io olona tratra nangalatra io. Manoloana ity tranga ity, manahy mafy  ireo mponina any an-toerana fa sao ny mpitandro filaminana ihany no ao ambadik’ireny jiolahy manao fanamiana miaramila mandroba fananan’olona ireny.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre