Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Fahaleovan-tena sadasada !

Hanitsaka sahady ny volana jiona isika amin’ity herinandro ity, raha ny marimarina kokoa dia ny alarobia izao. Volana jiona izao, izay manamarika ny fandiavana ny fisasahan’ny taona satria nahatrarana ny enim-bolana voalohany. Misongadina ihany koa ary manan-danja indrindra ho an’ny firenena malagasy satria ny 26 jiona no fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena. Ny tsingerin-taona faha 56 nahazoana ny fahaleovan-tena no tsiahivina amin’ity taona ity. Manamarika ihany koa anefa fa 56 taona niainan’ny malagasy tao anatin’ny sokajin’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany. Herim-po very maina fotsiny ary matimaty foana ireo tia tanindrazana niady tamin’ny mpanjana-tany mba hahazoana ny fahafahana satria tsy nahay nankasitraka izany ireo mpanao politika taty aoriana izay mifanenjika sy mifandramatra mba hahazo fahefana hahitana tombontsoa manokana. Tsy mety mandroso i Madagasikara ary kikisan’ny krizy politika maro mifandimby. Ireo mpitondra nifanesy rahateo toa tsy nahay nanaja ilay hasin’ny fahaleovan-tena fa vao mainka nisolelaka sy nandadilady tany amin’ny vahiny. Tsy nitraka akory ny firenena dia efa nilatsaka sahady ao anatin’ny tontolon’ny fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao. Tany amin’ny taona 90 dia nantsoina fa ny fanatontoloana no vahaolana tokana hahafahana mampandroso ny firenena. Ankehitriny kosa dia lazain’ny mpitondra fa tsy afa-miala amin’ny mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-tekinika iraisam-pirenena i Madagasikara raha te handroso. Manindrahindra fatratra ny maha-zava-dehibe ny hatsaran’ny fifandraisana iraisam-pirenena ny mpitondra ankehitriny ary nilaza mihitsy ny filoha tany Singapour ny herinandro lasa teo fa tsy afaka ny handroso ny firenena raha tsy miantso mpamatsy vola sy mpandraharaha vahiny. Tao anatin’ny herinandro iray monja dia nahavita niatrika fihaonana tany amin’ny firenena roa dia i Singapour sy Torkia ny delegasion’ny fiadidiana ny Repoblika ary tena nanizingizina tany an-tanin’olona tany fa zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana  ny firenena ny dian’izy ireo. Nahagaga anefa fa toa niverina mangingina ary tsy nahitana tatitra firy taorian’ireo fivoahana tany ivelany izay nandaniana vola be tsy toko tsy forohana ireo satria ny hofan’ny fiaramanidina fotsiny no efa mananika ny 2 hetsy “euros” na 4 miliara ariary latsaka kely. Fantatry ny mpitondra mazava fa tsy hisy vahiny hanome vola ampy hanaovana ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara izany eo saingy toa hodian’izy ireo tsy hita izany fa dia mihazakazaka hatrany ireo manam-pahefana rehefa misy ny fanasana handray anjara amin’ny hetsika na fivioriana any ivelany. Ajanona avokoa ny asa eto an-toerana ary tsy asiana valiny ireo fitakiana marobe etsy sy eroa fa aleon’ny mpitondra mihazakazaka manotrona ny fivoriam-be karakarain’ny vahiny izay hita fa tsy hisy vokany akory.

Anisan’ny tena mahasorena ny vahoaka anefa io fomba fiasa toa manompo vahiny io ary manome endrika ny fanjanahan-tany amin’ny endriny vaovao. Ny 90 isan-jaton’ny malagasy efa tsy ampy sakafo nefa ny mpitondra manana 4 miliara ariary latsaka kely hanofana fiaramanidina fotsiny entina hitety izao tontolo izao. Na inona na inona fanazavana dia fandanindaniam-poana ny volam-panjakana ireny fivoahana any ivelany tsy mitondra vokatra mody ireny. Raha nandany 4 miliara ny mpitondra nandeha tany dia tokony nitondra mihoatra noho izay rehefa niverina avy any. Tsy maintsy mandeha anefa satria fepetra apetraky ny mpampisambo-bola iraisam-pirenena ny fanatanterahana ireny fihaonana iraisam-pirenena ireny. Fahaleovan-tena sadasada no misy eto satria na ny mivarotra ny andramena izay harem-pirenena nomen’Andriamanitra ho an’ny malagasy manokana tsy hisasahana amin’ny hafa aza dia tsy azon’ity fitondram-panjakana ity atao satria sakanan’ny Cites. Rehefa zohina izany dia tsy misy asa fampandrosoana ny firenena sy fanasoavana ny vahoaka azon’ny fitondram-panjakana atao mihitsy raha tsy mahazo ny fankatoavan’ny vahiny. Izany ve no firenena mahaleo tena?

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre