Vous êtes ici :

Jeudi 18 Avril 2024

ombre

Talata-Volonondry – Roalahy nahatratrarana taolam-paty 11kg

Raha nangingina ny halatra ity asa ratsy ity sy ny fahenoana vaky fasana dia mitady hirongatra indray izany ankehitriny. Olona roalahy no fantatra fa eo am-pelantanan’ny zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana izaonoho ny fahatratrarana taolam-paty. Tany amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Talata-Volonondry no nahatratrarana azy ireo nandritra ny fisafoana nataon’ny mpitandro filaminana, ny alakamisy lasa teo, tamin’ny 5ora sy sasany hariva. Nilanja gony hihazo ny renivohitra izy roalahy no nosakanan’ny manam-pahefana noho ny fihetsika mampiahiahy nasehon’izy ireo.  Rehefa natao ny fisavana ny entana nentin’izy ireo dia tsikaritra fa taolam-paty no tao anatiny ary taolan-dava avokoa ny ankamaroany izay milanja 11kg. Nosamborina avy hatrany izy roalahy ary nentina nihazo ny biraon’ny zandary hatao famotorana. Nandritra ny fanadihadiana natao dia nilaza izy ireo fa  saika hoentina hamidy aty an-drenivohitra ireo taolana ireo saingy tsy nety nilaza ny toerana misy ny fasana novakiana izy ireo na ny anaran’ny olona mandray ny entana. Mbola tsy naharay fitarainana mahakasika fahavakisana fasana any amin’iny manodidina iny ihany koa anefa ny zandary hatramin’izao. Misokatra ny fanadihadiana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre