Vous êtes ici :

Vendredi 19 Avril 2024

ombre

Malagasy tia mifamingana !

Mihasarotra hatrany ny toe-draharaham-pirenena na dia samy milaza ny hikatsaka ny hahasoa ny vahoaka aza ny herivelona politika misy. Tsy miova amin’ny fomba fanao izay efa namotika ity firenena ity anefa ireo mpanao politika fa samy roboka amin’ny fifanenjehana sy ny famingampinganana ny asa. Tamin’iny herinandro lasa iny dia nifanipaka tanteraka ny lazain’ny vavan’ny mpitondra sy ny fihetsika asehony. Andaniny ny Filoham-pirenena nilaza fa manao ny fomba rehetra hiantsoana ny mpandraharaha vahiny hampiasa vola eto Madagasikara. Ankilany ny fitondram-panjakana mandray fepetra hanalam-baraka sy hanapotehana ny mpandraharaha malagasy. Anisan’ny lasibatr’izany ny tompon’ny vondrona Sodiat izay sady tsy mba miresaka politika na oviana na oviana no tsy mbola nanakiana ity fitondram-panjakana ity ary ihany koa tsy mbola hita nanatrika hetsika politika. Mahagaga anefa fa dia nendrikendrehana sy novoizina mafy ho anisan’ireo olona tsy tia ny mpitondra. Nalaim-baraka ihany koa tamin’ny fisavana ny tranony. Efa endrika fanendrikendrehana izany fakana taratasy any amin’ny fitsarana izany mba hahazoana alalana hisava tranon’olona. Tsy nahita na inona na inona anefa, izany hoe madio ilay noendrikendrehina dia mangina fotsiny ny mpitondra. Raha ny tokony ho izy dia manao fialan-tsiny izay tompon-kevitra tamin’ireny fanalam-baraka ireny satria tena manohintohina ny zon’ny hafa mihitsy. Tadiavina ho potehina ny vondrona Sodiat izay mampiasa olona aman’arivony ary mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ity firenena ity satria mampiasa vola sy manangana orinasa maro.

Toy izany ihany koa ny vondrona Tiko izay miantso olona hiasa nefa tsy avela hanao izany fa handefasana mpitandro filaminana mihitsy mba tsy hahafahan’ny malagasy an’aliny mametraka taratasy fangatahan’asa.  Ny fitondram-panjakana anefa tsy mahavita manome asa ny vahoaka akory ary tsy manana vahaolana haingana sy maharitra ary matotra hamahana ny olan’ny tsy fananan’asa. Mpandraharaha vahiny mbola any an-kibon’ny omby no antenainy ho avy eto hanangana orinasa fa ny malagasy efa vonona sy efa manome asa ny vahoaka fingampinganina tsy hahavita izany.

Raha ny tatitra, nivoaka farany,  mahakasika ny indostria eto Madagasikara, dia toy ny tsy misy famoronana orinasa vaovao eto satria saika mifantoka betsaka amin’ireo orinasa kely mpanelanelana ara-barotra, sy ara-dokam-barotra fotsiny no betsaka. Izany hoe zara raha mamorona asa sy mampiasa vola izy ireny no sady tsy maharitra mihoatra ny roa taona akory ny ankabeazany. Raha ny zava-misy hatreto aloha dia ny mpandraharaha efa manana traikefa aman-ataonany maro ary efa nanangana orinasa betsaka sy mampiasa olona an’arivony no azo antoka fa vahaolana amin’ny asa fampandrosoana sy ny fampananana asa. Io anefa fa ataon’ny fitondram-panjakana izay hanapotehana ireny mpandraharaha ireny.

Tsy aleo ve ny efa mandeha no tohanana mba hiroborobo sady ho reharehan’ny malagasy toy izay hifanipaka an-toerana toy ny valala an-karona eto. Fitondram-panjakana miaro ny efa mety sy hanatsara ny tsy mety no ilain’ny vahoaka fa tsy mpitondra handrodana ny efa mijoro. Zatra manao vain-drahalahy tsy mba maharary ny mpitondra sasany ka kinga sy havanana amin’ny fitadiavana fomba hamotehana ny mpandraharaha malagasy amin’ny alalan’ny fanararaotana ny lalàna izay navadika ho fanaovana ramatahora. Rehefa ny sezan’izy ireo anefa no mitady hitsingilahila dia sempotra sy mampiaka-peo ary mampiasa ny mpitandro filaminana ho hery famoretana.

Mipetraka ihany ny fanontaniana hoe firy amin’ireo mpitondra fanjakana ankehitriny moa no efa nanome asa olona mitovy isa amin’ny mpiasan’ny vondrona Sodiat izay tadiavina hopotehina. Raha ny zava-misy dia azo ambara mazava fa na atambatra aza ny mpikambana rehetra ao amin’ny Governemanta dia tsy hahavita hanangana vondrona orinasa hanome asa olona an’arivony!

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre