Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Amboditsiry – Gaz nipoaka, trano iray kila forehitra

Nitrangana haintrano, teny Amboditsiry omaly vao maraina. Trano iray lehibe misy rihana iray no nirehitra tampoka, noho ny fipoahan’ny entona fandrehitra (Gaz). Nijoalajoala ny afo, ny andro nanerika, hany ka, na vao avy lavitra aza dia nahatazana ny setroka be nateraky ny fahamaizana, izay nanampy betsaka ny mpamonjy voina nanao ny asany. Mbola tsy nampandrenesina akory mantsy izy ireo dia nidina teny an-toerana avy hatrany nijery ny zava-misy satria nahatazana ny fahamaizana. Fiara lehibe 4 isa an’ny mpamonjy voina no nigadona teny amin’ny trano may nanampy ireo fokonolona namono ny afo. Noho ny fitsokan’ny rivotra anefa dia mbola naharitra ora iray vao maty tanteraka ny afo.

Mpanampy irery no tao an-trano

Tsy tao an-toerana ny tompon-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza fa ny mpanampy irery no tao. Araka ny vaovao voaray dia adinony ny nanidy ilay entona fandrehitra ka raha vao nandrehitra afon-tsaribao teo an-davarangana izy dia nipoaka avy hatrany ilay gaz. Tsy nisy azony natao mba hamehezana ny afo. Mora niparitaka ihany koa ny lelafo noho ireo fanaka tao an-trano vita amin’ny hazo avokoa. Mbola nanampy trotraka ny kodiarana maromaro tao an-toerana. Niantso vonjy avy hatrany ilay mpanampy fa tamin’izay fotoana izay dia nanomboka nahazo ny efitra ambony rehetra ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa tombanana ho an-tapitrisany ny zavatra may.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre