Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Herinatrehana Inham Ella – Greffier en chef du Tribunal de première instance Antananarivo – « Mila mahafantatra ny marina ny vahoaka »

Nisy ny fanokanana ny fotodrafitrasa vaovao teny anivon’ny Fitsarana Anosy ny Alakamisy 15 jona 2016 lasa teo, dia ny Birao iombonana handoavana hetra manokana amin’ireo didim-pitsarana izay navoakan’ny Fitsarana, na ny “Guichet unique d’enregistrement des actes judiciaries”. Maro anefa ny olona no mbola tsy mahalala tsara ny asa atao ao anatin’izay birao izany sy ny ilàna azy. Nanantona ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Fitsarana ny Madagascar Matin, mba hahafahana mampahafantatra misimisy  kokoa ny mahakasika izany birao iombonana izany.

Madagascar Matin (M.M): Inona no voka-tsoa entin’ny birao iombonana ho an’ny fampandehanan-draharaha eto amin’ny Fitsarana, indrindra hoan’ny vahoaka ?

Herinatrehana Inham Ella (H.I.E): Tamin’ny 15 jona 2016 tokoa no nanokanan’Andriamatoa Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny birao iombonana na guichet unique, izay natao handoavana ny saran’ny fandoavana hetra manokana amin’ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana na ny  droit d’enregistrement isaka ny ambaratongany. Na izany  Fitsarana ambaratonga voalohany, na Fitsarana ambony, na ny Fitsarana ao anatin’ilay hoe Cour de cassation na fandravana. Teo aloha dia ireo didim-pitsarana raikitra na hoe “Grosse”, dia tsy maintsy nandoavana an’io sarany io avokoa izay vao mahazo ny didim-pitsarana. Teo aloha ihany koa dia tsy maintsy mandalo any amin’ny “service d’enregistrement et timbre” ny taratasy. Ka ny hita matetika dia ela ny fotoana hitondrana izany makany satria tsy maintsy bataina ireo antontan-taratasy. Rehefa avy any anefa vao hita ny tontalin’ny vola tokony haloa ary miandry ny manan-draharaha handoa ny vola amin’izany. Avy eo vao averina any amin’ny “service d’enregistrement et timbre” indray atao Sonia sy ametrahana “mention d’enregistrement”. Noho ireo fifindrafindrana ireo dia eo amin’ny telo volana eo ho eo no ilaina mba hahavitan’ny asa rehetra vao mivoaka tanteraka ilay didim-pitsarana raikitra. Nahita anefa izahay fa misy ihany ny hevitra ahafahana manafaingana ny raharaha, dia ny fametrahana izany birao iombonana izany, izay isaorana manonkana ihany koa ny sampan-draharaha ao amin’ny hetra ny amin’ny fiaraha-miasa ataony satria tsy vitan’ny Fitsarana irery ny asa. Sambany teo amin’ny tantaran’ny Fitsarana no nisy izany birao iombonana izany. Anisan’ny dingana lehibe io satria tao anatin’ny telo volana no nanaovanay io fotodrafitrasa io ary tena tanteraka ilay 100 andro, ary tena harifomba ny zava-drehetra ao.

M.M: Efa azo lazaina hoe nihena izany izao ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’ny fivezivezena sy ny fiandrasana ela fa mba manao ahoana kosa ny amin’ny fanamorana ny fandraisana sy ny fahazahoan’izy ireo ny voalaza ao anatin’ny didy izay raisiny?

H.I.E: Isaorana anareo mpanao gazety ny amin’ny fampitana ny vaovao araka ny tokony ho izy. Betsaka ny fangatahana hoe maninona moa raha atao amin’ny teny malagasy ny didim-pitsarana. Ny mpitsara moa izany rehefa mahita fa misy mpisolo vava ny raharaha iray dia ataony amin’ny teny frantsay ny didim-pitsarana. Kanefa izahay manao ezaka tsikelikely hanazatra ireo manan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana mba hatao amin’ny teny Malagasy, mba hahazahoan’ny olona amin’ny tokony ho izy ireo zavatra misy sy ny tsara ho fantatra, izay momba ireny zava-misy ao anaty raharaha iray ireny matetika. Izany manko no mahatonga ny mpijirika na “rabatteur” mahazo vahana satria raha misy ny olona izay tsy mahafantatra ny votoatin’ny voalaza ao anatin’ny didim-pitsarana dia izy ireny no tonga dia maka ny fon’ny olona tia ahafantatra bebe kokoa ny voalaza ao. Manome vahana ny kolikoly izany ka ao anatin’ny ezaka izay ataonay ihany koa no mampahafantatra tsikelikely ny vahoaka izay tokony ho fantany rehetra, indrindra ny zony, raha tsy hilaza fotsiny ny mahakasika ny “bulletin n°3” na ny “casier judiciaire”.

 

M.M: Niresaka ezaka isika teo. Inona kosa ary ny ezaka eritreretinareo ao amin’ny mpiraki-draharaha hatao taorian’io ezaka io?

H.I.E: Ny tenako izao dia fito volana no teo, nanomboka tamin’ny volana oktobra 2015. Nandritra izay dia nisy ny asa vita toy ny fametrahana ny fanamafisam-peo tao amin’ny “salle d’audience” miisa enina misy eto amin’ny Fitsarana, iray volana taorian’ny naha lehiben’ny mpiraki-draharaha ahy. Matetika mantsy ny olona no mitaraina fa tsy heno ny didim-pitsarana, ka izay no antony nanaovana izany ezaka izany. Teo ihany koa ny nirosona tamin’ny “informatisation Greffe” nanomboka tamin’ny 4 janoary 2016. Manampy indrindra amin’ny fitehirizana ny mombamomba ny raharaha mandalo eto amin’ny Fitsarana io, satria raha sanatria misy fahaverezan’ny rosia na fanadinoana ny laharany dia efa hita ao anatin’ireo fitaovam-pikirakirana na solosaina izany. Manafaingana ny asa ihany koa izany. Tamin’iny volana iny ihany koa no nametrahana ny “uniforme”, mba ihavahan’ny tena tompon’andraikitra (greffier sy personnel d’appui) amin’ireo mpijirika. Maro mantsy ny olona no milaza fa mpiasan’ny Fitsarana avokoa izay mifamezivezy ao kanefa maherin’ny 1 000 isan’andro ny olona mandalo ao. Mbola mieritreritra ny “informatisation total Greffe et amelioration archivage” ihany koa izahay ka ny “section état civil” ny hikarakaraina manaraka.

 

M.M: Inona àry no zavatra tokony ho fantatry ny vahoaka indrindra mahakasika ny raharam-pitsarana mba tsy hisian’ny ahiahy intsony?

H.I.E: Ny vahoaka Malagasy moa matetika dia manome tsiny mandrakariva ny Fitsarana. Nefa manao zavatra tsy mora ary tsy hoe ratsy avokoa ny zavatra eo anivon’ny Fitsarana. Fanabeazana tsy ho vita androany androany moa io fa miezaka izahay mampahafantatra ny olona ny amin’ny ezaka izay efa hatao. Ny angatahana amin’ny vahoaka fotsiny dia raha tena hiady amin’ny kolikoly dia voalohany indrindra ny tsy fanantonanana olona tsy fantatra eo anivon’ny Fitsarana. Matetika ny olona dia matahotra hanantona ny Fitsarana satria ny ao an’eritreritra dia oe rehefa eny amin’ny Fitsarana dia hoe nanao ny tsy mety avy hatrany. Nefa ny Fitsarana dia toy ny birao rehetra ihany ary misy ny tompon’andraikitra sy ny olona mifamezivezy ao. Ao ihany koa no toerana ahafahana mahafantatra ny tena zonao marina, ka ny mety indrindra dia manantona ny tompon’andraikitra. Ireo dia afaka manome ny fanazavana rehetra ilaina eny anivon’ny Fitsarana. Tsy ho vitan’ny mpiasan’ny Fitsarana irery ny ady amin’ny kolikoly. Tsy hahavita hipetraka eny am-baravarana ny mpiasan’ny Fitsarana hijery ny olona manana olana, fa ny mpijirika kosa efa izay no anton-draharahany ary efa mahafantatra ireo olona azony fitahina. Mila mitandrina fotsiny ny tsirairay ka tsy manome fakam-panahy. Efa nisy ny fahatrarana ireo olona ireo fa mbola misy ihany sahy manao. Ny amongorana azy dia ny fanantonana ny tena tompon’andraikitra.

Vahatra Ny Aina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre