Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Tsy ampy fitiavan-tanindrazana ny malagasy

Velombelom-boly sy mahatsapa tena ho tena olon’afaka  ny vahoaka malagasy amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao. Vonona hijoro sy hirehareha fa firenena mahaleo tena ary vahoaka manana ny fitiavan-tanindrazana ao anatiny. Na eo aza ny fahantrana sy ny disadisa politika dia hita fa miray fo sy saina hanaja sy hanao izay hahalavorary ny fankalazana ny faha-56 taona nitsingerenan’ny fahaleovantena ny rehetra. Na ireo mpanao politika sy mpitarika fitokonana aza dia nampandefitra ny hambom-pony aloha ka nangingina mba hahafahan’ny vahoaka manao fety ao anaty fitoniana. Tsy vitan’ny teny imolotra fotsiny anefa ny fitiavan-tanindrazana fa mila fandraisana andraikitra lehibe amin’ny alalan’ny fanovàna toe-tsaina sy ny fialana amin’ny fomba ratsy fanao rehetra. Masina ny tanindrazana hoy ny fiteny mahazatra ary tena marina io. Mitaky fahendrena sy fitiavana ary asa sy fanetren-tena ao anatin’ny fampanjakana ny fihavanana sy ny fifanampiana izany fitiavan-tanindrazana izany.

Mety ho maro no hotezitra raha hopotsirina ny marina fa tsy ampy fitiavan-tanindrazana ny malagasy. Iza tokoa moa no tena mampikorosy fahana ity firenena ity fa tsy ny vahoaka ihany ? Ekena fa manao ny ataony ny mpanao politika sy ny olon-dratsy isan-karazany saingy manana ny adidy aman’andraikiny ihany koa ny vahoaka maro an’isa. Taitatrain’ny ronono mangotraka fotsiny dia manao zavatra tsy am-piheverana ny ankamaroan’ny malagasy. Tsy afaka ny handà mantsy fa ny vahoaka ihany no nifidy sy nametraka ireo mpitondra rehetra nifandimby teo. Tsy mandinika lalina fa sodokan’ny kabary tsara lahatra sy ny fampanantenana poakaty ary ny fizarana patsa in-dray mahandro rehefa fotoanan’ny fampielezan-kevitra dia mifidy an-jambany. Entanin’ny tora-po sy ny halako bika tsy tiako tarehy ihany koa dia roboka amin’ny fidinana an-dalam-be sy ny fitokonana faobe hanongana izay mpitondra mijoro eo rehefa nentanin’ny mpanao politika maloto saina tsy mihevitra afa-tsy ny tombontsoany manokana. Niaraha-nahita ireo hetsika handrodanana mpitondra teto Madagasikara tamin’ny taona 1972, 1991, 2002, ary 2009 fa hafa mihitsy tsy toy ny any ivelany. Ao anaty fifaliana sy toy ny manao fety mantsy ny vahoaka malagasy rehefa hanongana mpitondra. Tsy misy mihevitra fa hitondra krizy goavana ho an’ny firenena ny fanonganana mpitondra miainga eny an-dalam-be. Gaga avy eo rehefa tsy mety tafarina ilay firenena satria nopotehina avokoa ny asa fampandrosoana kely efa niainga ary dia miverina manomboka tetikasa vaovao mihitsy izay mpitondra manaraka eo. Tsy mahagaga raha tsy mety mandroso ny firenena satria mila fitohizana izany fampandrosoana izany fa tsy vitan’ny manongana dia mametraka mpitondra hafa dia avy eo miandry mirakla.

Na ireo tsy mety rehetra eto amin’ny firenena aza dia ny vahoaka ihany no tena manao azy. Ny kolikoly dia ny mpiasam-panjakana izay anisan’ny vahoaka ihany sy ireo manan-draharaha eny amin’ny sampan-draharaham-panjakana ihany no manao izany. Ireny rehetra ireny ihany anefa avy eo no mitaraina sy mimenomenona fa tsy azo ekena ny kolikoly eto amin’ny firenena. Toy izany ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana satria olona avy eny anivon’ny vahoaka ihany no lasa jiolahy. Tsy mahay miray hina rahateo ny vahoaka rehefa hiaro tena fa dia mifampijery fotsiny. Tsy azo eritreretina mihitsy ny fisian’ny mpanendaka sy mpanao sinto-mahery amin’ny andro antoandro amin’ireo tsena sy lalana misy olona an-jatony maro mifamoivoy.  Matoa misy izany dia samy tia tena sy tsy mihevitra ny hanampy ny hafa ny mpandalo. Raha manendaka telo na efatra mantsy tsy hahatohitra ny mpiantsena sy ny mpandalo an-jatony mihitsy. Sahy ireo mpanendaka satria mahafantatra fa tsy tia tanindrazana sy tsy mahay miray hina ny vahoaka malagasy fa mijery fotsiny rehefa misy voa. Santionany kely ireo fa ny tian-kambara dia tsy vitan’ny tsikera be fahatany sy ny fananganan-tsaina ary ny fividianana arendrina taratasy miampy ny toe-tsaina lomorina mankahala vahiny ny fitiavan-tanindrazana. Mila  fitiavana sy firaisankina ary fifanampiana sy fihavanana izany !

Ravalo tsy manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre