Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Ministeran’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana – Mahatratra 500 mahery ny mpiasa Ecd

Araka ny lalàna velona dia ny Cnaps no misahana ny fiahiana ara-tsosialin’ireo mpiasa Ecd (Emplois de courte durée) eny anivon’ny ministera rehetra. Ho an’ny eo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana dia mahatratra 500 mahery ny mpiasa Ecd ka 410 amin’io mpiasan’ny ministera eny Nanisana ary tafiditra amin’izany ny any amin’ny faritra manerana ny Nosy. Ary raha ampiana ny mpiasa eo anivon’ny Ortm (Office de la radio télévision malagasy) ahitana ny Dit (Direction des infrastructures techniques) sy ny Rnm ary ny Tvm eny Anosy dia maherin’ny 500 ny tsy mpiasa raikitra. Manoloana izany dia niantso ny Cnaps ny talen’ny fitantanana ny mahaolona eo anivon’ny ministeran’ny Serasera, Rakotondramanga Romain mba hampahafantatra ireo mpiasa Ecd ny zony sy ny tokony hataony satria tsy mitsahatra ny mandrotsaka latsakemboka 13 % adidiny amin’ny maha mpampiasa azy any amin’ny tahirim-pirenena azy ny ministera ary 1 % kosa ny an’ny mpiasa.

 

Very zo ny mpiasa Ecd ao amin’ny Rnm sy Tvm

Vokany, mandray zo feno amin’ny Cnaps ireo mpiasan’ny ministera ary torak’izany ihany koa ny fianakaviany. Nampahafantarina nandritra ny fiofanana ihany koa fa tsy very ny latsakemboka rehefa lasa mpiasam-panjakana raikitra ireo Ecd. Afindra ao amin’ny Crcm (Caisse de retraite civile et militaire) eo anivon’ny ministeran’ny Vola sy ny teti-bola ireo latsakemboka ka izy ireo indray no misahana ny fiahiana ara-tsosialy. Ny Cpr (Caisse de prévoyance et de retraite) kosa no misahana ny mpiasa Efa sy Eld (Emplois de longue durée).

Araka ny lalàna, tsy tokony hihoatra ny 6 taona ny mpiasa Ecd ary miroso ho mpiasam-panjakana raikitra nefa maro amin’ireo mpiasan’ny Tvm sy Rnm ary Dit no mandalo Ecd mandritra ny taona maro. Noho izany dia very zo tanteraka ny zanaky ny mpiasa satria tsy mba misitraka ny volan-jaza sy ireo karazana fanampiana ho an’ny fianakaviana ka maro ireo mpiasa mitaraina ary mangataka manokana ny mpitondra mba hijerena ny fiahiana ara-tsosialin’izy ireo.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre