Vous êtes ici :

Mercredi 24 Avril 2024

ombre

Tapitra ny nofinofy !

Nifarana omaly ny nofinofy niainan’ny malagasy. Tsy ny vahoaka irery ihany fa ny mpitondra fanjakana ihany koa. Azo ambara fa nilamindamina mantsy, tao anatin’ny tapa-bolana farany ny risika mety hisian’ny fidinana an-dalam-be. Nisy ihany ireo antoko nanohy ny fitakiana ny fialan’ny filoha saingy azo ambara fa mpikarama an’ady sy mitady bizina fotsiny ihany izy ireny. Tsy misy mpahalala akory no sady tsy manana foto-kevitra mazava fa dia manao di-doha hitsikera sy hanaratsy ny mpitondra amin’ny alalan’ny tora-po fotsiny. Ireo tena mpanao politika manana ny maha izy azy ary afaka ny hifampitana amin’ny mpitondra Fanjakana dia nipirimpirina sy nangingina tao anatin’ny roa herinandro eo ho eo. Hita mazava fa nanomana ny fetim-pirenena ny ankamaroan’ny sokajin-kery rehetra ary tsy te hamboly savorovoro ao anatin’ny vanim-potoanan’ny asaramanitra. Na ny solombavam-bahoaka izay tena nahian’ny maro fa hanao ny fomba rehetra hanonganana ny fahefana mpanatanteraka aza dia niaraha-nahita nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny Governemanta fa nifitsaka sy tsy naneho fihetsika mahery toy ny efa mahazatra.

Nandalo ihany anefa izany rehetra izany ary heverina ho toy ny nofy fotsiny ihany. Manomboka amin’ity herinandro ity dia ahiana sahady ny hampirongatra ireo fitakiana mafanafana rehetra. Mbola tsy milamina tanteraka ny eny anivon’ny fampianarana ary efa hita soritra ihany koa ny fitohizan’ny fitokonan’ny ladoany. Ankoatra ireo dia tsy mbola namaly ny Filoham-pirenena izay nanipy teny matetika tamin’izy ireo ny fivondronamben’ny mpiasam-panjakana. Nangina izy ireo nefa tsy midika izany fa nihemotra tamin’ny fitakiana nataony. Tsy nisy valiny mihitsy mantsy ireo fitakiana nataon’ny mpiasam-panjakana. Fotodrafitrasa sy fanolorana fitaovana hanasoavana ny vahoaka no nataon’ny Fanjakana fa tsy fampiakarana ny karama sy ny tombontsoan’ny mpiasam-panjakana. Izany hoe tena mbola mikononkonona hetsika fitakiana mba hanomezana fahafaham-po azy ireo fonksionera marobe ireo.

Manampy trotraka izany ny fisehoana tampoka nataon’ny kolonely Lilyson René izay tsy nilefitra fa nanao teny feno fahasahiana sy fahavononana hiaro ny heviny na inon-kidona na inon-kihatra. Heverina fa nitondra hery namelona indray ny afom-pitakian’ny sendika sy ny antoko mpanohitra izay nangingina io fijoroan’ny kolonely Lylison io. Na dia efa namoahana didy fampisamborana aza mantsy ity manam-boninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity dia tsy nanaiky hotapenam-bava fa nampiaka-peo sy sahy nitsikera ary karazan’ny nanao kafaran-teny ho an’ny tompon’andraikitra namoaka ilay didy sy hanatanteraka izany fampisamborana izany mihitsy.

Mbola ady mafy ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana ary ho ela vao hilamina ny tany raha ny afitsok’ireo olon-dratsy no jerena. Olona 32 no matin’ny dahalo tao anatin’ny fanafihana iray monja, basy sy bala an’aliny no tratra tany amin’ny seranan-tsambon’i Nosy be ary maromaro ihany ireo olona fantatra fa maty nisy namono tamin’iny herinandro lasa iny. Midika ireo rehetra ireo fa mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ary efa mihantsy ny mpitandro filaminana mihitsy ny olon-dratsy. Mbola am-polony rahateo ireo gadra nandositra no tsy voasambotra ary am-polony toy izany ihany koa ny olon-dratsy karohina no tsy hoita popoka hatramin’izao. Mihorohoro ny vahoaka manoloana izany rehetra izany.

Ny vahoaka hatrany anefa no ianjadian’ny voka-dratsin’ny adilahy politika sy ny tsy fahalavorarian’ny tsy fandriam-pahalemana. Tapitra omaly ihany koa ny nofin’ny vahoaka izay tena niaina am-pifaliana sy tamim-panantenana ny fankalazana ny fetim-pirenena. Hiverina amin’ny olana mahazatra andavanandro indray ny rehetra manomboka amin’ity herinandro ity. Fiainana hazakaza-dava sy ady tsy mety vita no tsy maintsy atrehina ka ho maro ireo ho kivy manoloana izany. Ho mora amin’ny mpanao politika ny hamendrofendro sy hitarika ny vahoaka amin’ny fitokonana sy fidinana an-dalam-be izay mety hiteraka krizy vaovao ho an’ny firenena indray!

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre