Vous êtes ici :

Samedi 20 Avril 2024

ombre

Tsiroanomandidy – Zandary iray maty voatifitry ny dahalo

Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ireo zandary mpanara-dia sy ireo dahalo tany Tsiroanomandidy, ny alin’ny 23 jona lasa teo. Dahalo miisa 40 nitondra basim-borona sy fitaovam-piadiana samihafa no nanafika tao amin’ny renivohitry ny kaominina Kiranomena tamin’io alina io. Nirefodrefotra ny poa-basy  ary lasa ny omby 20 isa. Nampandre  ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fokonolona raha vao niala ny tanàna ireo olon-dratsy. Taorian’ny fizahana natao dia niroso tamin’ny fanarahan-dia ireo zandary izay nampian’ny fokonolona. Vao nifanehitra anefa ny roa tonta ora vitsivitsy taty aoriana dia tsy nisy alaharo alaharo fa ny basy avy hatrany no niresaka. Mafy ny fifandonana ka maty lavon’ny balan’ireo dahalo ny zandary iray kilasy faharoa izay miasa any amin’ny borigady Kiranomena. Efa eo am-pelatanan’ny komanda ny borigady ny basy kalachnikov nampiasan’ilay zandary namoy ny ainy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny Cirgn Antana vao naheno ny trangan-javatra ka nidina any an-toerana ny 24 jona teo, tamin’ny 5ora sy sasany hariva hijery akaiky ny raharaha miaraka amin’ny mpitandro filaminana 20 haka ny razana. Mitohy ny fanadihadiana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre