Vous êtes ici :

Mardi 23 Avril 2024

ombre

Fenoarivo-Atsinanana – Mpirahalahy maty notofirin’ny zandary

Mitohy hatrany ny herisetra ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny madinika. Mpirahalahy indray no namoy ny ainy noho ny hetraketrak’ireto voalohany, tany amin’ny alan’ny Tampolo, any Rantolava, kaominina Ampasina-Maningory, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny 21 jona lasa teo. Nandeha nitady kitay handrahoana sakafo tany amin’izany ala izany izy mirahalahy no nifanehitra tamin’ny zandary miandry ity ala ity, izay marihina fa ala arovana. Nolazain’ireo mpitandro filaminana fa mpangalatra hazo tao anatin’ilay alan-javaboahary  izy ireo ka tsy nisy fanadihadiana fa basy avy hatrany no niresaka. Norarafan’ireo zandary tifitra variraraka ka maty tsy tra-drano izy mirahalahy ireo.

Manoloana ity toe-javatra ity dia nampiaka-peo ny havan’ny niharam-boina sy ny fokonolona any amin’ny kaominina Ampasina-Maningory, taorian’ny fandevenana ny maty, ny zoma teo. Nilaza tsy hipetra-potsiny izy ireo satria tsy natao hamono mpaka kitay ny zandary. Tokony ho fisamborana na tifi-danitra no natao ary tokony nampandalovina fanadihadiana aloha izy roalahy.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre