Vous êtes ici :

Jeudi 25 Avril 2024

ombre

Lavo i Madagasikara !

Nandriaka ny rà ary nisy ny namoy ny ainy. Teo ambany mason’ny vahoaka iray manotolo satria nandeha mivantana tamin’ny fahitalavitra no nitranga ny asa fampihorohoroana namonoana ny malagasy mpiray tanindrazana. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nitrangan’izany ary tsy nisy nanampo satria efa nampanantena ny mpitandro filaminana fa hanao ny fomba rehetra hisorohana ny herisetra. Miondrika ny malagasy ary nitombo indray ny fahalavoana. Teo aloha dia lavo hatrany i Madagasikara satria nitana ny rambony amin’ny asa fampandrosoana. Ao anaty lisitr’ireo firenena mahantra sy maloto indrindra maneran-tany, vahoaka mijaly sy fadiranovana, tsy misy ny fahalalahana haneho hevitra. Hatrany amin’ny fanatanjahan-tena aza dia hosihosen’ny vahiny satria resy lava amin’ny baolina kitra, ny ringoby, ary zara raha manana solontena afaka ny hilalao any amin’ny lalao olimpika. Azo antoka fa tsy hitondra medaly hody ireo solontena handeha any Brezila fa karazan’ny hitsangantsangana fotsiny. Tsy vitan’ireo ihany fa lasan’ny vahiny ambongadiny ny tanin’ny malagasy nefa miraviravy tanana ny tompon’andraikitra manolona izany. Lasan’ny sinoa ny tany misy volamena any Soamahamanina, totofan’ny maorisianina ny lemak’i Masay, ary totofan’ny karana ny tanimbary eny By-pass. Ny tranon’olona eny Tsarasaotra sy Ivato ary moa dia narodana hanamboarana lalana handehanan’ny vahiny hanatrika ny fivorian’ny frankofonia. Ankoatra ireo rehetra ireo dia manjaka ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy. Am-polony ny olona matin’ny dahalo, misy hatrany ny mamoy ny ainy voatsatok’antsy sy voaolana isan’andro. Toy ny mampandainga ny mitanisa izany rehetra izany nefa dia zava-misy marina iainan’ny vahoaka malagasy. I Madagasikara anefa firenena lazaina fa demokratika sy mametraka ny tany tan-dalàna ary misy fitondram-panjakana mijoro. Niezaka ny nanao izay ho afany ny mpitondra nampiseho fa mahavita sy azo ianteherana. Tsy azo lavina fa tena nisy ireo zava-bita izay naseho roa herinandro mialohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Nahavelom-bolo ny vahoaka ny fahitana fa nahavita ezaka ny mpitondra satria neken’ny tahirim-bola iraisam-pirenena ny hamoaka famatsiam-bola hanatanterahana ny tetikasam-pampandrosoana an’i Madagasikara, noesorin’ny vondrona eropeanina tao anatin’ny lisitra mainty ihany koa ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka Air Madagascar ary fotodrafitrasa ara-pahasalamana sy lalana ary sosialy maro no notokanana. Nahafa-po sy tsy nisy tomika ihany koa ny fikarakarana ny fankalazana ny fetim-pirenena ary niara-nifaly tamim-pitoniana ny malagasy. Nanantena ny vahoaka fa hitohy mandavan-taona izany fanomezam-bokatra avy amin’ny Fanjakana izany kinanjo toa indray mipololotra ihany iray semban-drahona tao anatin’ny segondra vitsy. Grenady iray izay tafiditra antsokosoko tao amin’ny kianjan’i Mahamasina dia nampirodana ilay fanantenana kely efa nitsimoka tao anatin-dRamalagasy. Tafiditry ny asa fampihorohoroana ny firenena ary tsy afaka nanao na inona na inona niarovana ny vahoaka ny mpitandro filaminana sy ny fitondram-panjakana. Nisy ihany ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra izay efa nampanantena fa tsy ho vita mora ity herisetra ity saingy toy ny efa tara loatra. Efa nisy aina nafoy ary ny maty tsy ho velona intsony. Nampanantenaina ny olona fa faran’izay hentitra ny fisavana sy ny fitandroana ny filaminana eny Mahamasina nefa mbola misy ihany ny toraka grenady. Sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no novoizina fa faran’izay mafy ny fiarovana eny Mahamasina nefa sambany ihany koa tao anatin’izany no nisy tsy valahara nahavita nitoraka grenady ny vahoaka tsy manan-tsiny ao anaty lanonana. Hiteraka savorovoro vaovao eto amin’ny firenena iny tranga iny satria nampihitatra indray ny hantsana mampisaraka ny vahoaka sy ny mpitondra. Nihalalina ny lavaky ny tsy fifampitokisana ary hipoitra indray ny adilahy politika. Efa nilaza mantsy ny mpitondra fa vokatry ny tsy fitovian-kevitra politika no nahatonga iny asa fampihorohoroana iny. Izany hoe tsy maintsy hisy ny fisamborana. Manaporofo izany fa misy antokon’olona tena mikatsaka fanakorontanana sy savorovoro eto. Dia hiditra amin’ny krizy vaovao indray ve sanatria?

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre